Bokin'i Joba

Toko faha-33

1 Koa ankehitriny, ry Joba, henoy teniko, mampandria sofina amin'izay rehetra halahatro.

2 Indro aho miloa-bava, mamoron-teny ato am-bavako ny lelako,

3 hivoaka avy amin'ny fo mahitsy ny teniko, ny marina tsy misy fitaka no hotononin'ny molotro.

4 Ny Fanahin'Andriamanitra nahary ahy; ny fofon'ain'ny Tsitoha no manome ahy ny aina.

5 Raha hainao atao, valio aho hoe: Alaharo izay porofonao eo anatrehako, miarena amin-kasahiana.

6 Eo anatrehan'Andriamanitra dia mitovy aminao aho, fa natao tamin'ny fotaka tahaka anao koa aho.

7 Ka ny tahotra ahy tsy hampiraika anao; ary ny lanjan' ny fahalehibeazako tsy hitambesatra aminao.

8 Eny, efa nilaza teo amin'ny sofiko hianao, sady reko tsara ny feon'ny teninao hoe:

9 Madio afaka amin'ny fahotana rehetra aho, tsy manan-tsiny aho, tsy misy haratsiana ato amiko:

10 kanefa manao izay hahitany antony ankahalany ahy Andriamanitra, ka ataony toy ny fahavalony aho.

11 Nataony am-boloky hazo ny tongotro; tsikiloiny avokoa ny diako rehetra.

12 Ny valy hataoko aminao, dia tsy marina ny anao amin'izany; fa lehibe noho ny olombelona Andriamanitra.

13 Ka nahoana no mifandritra aminy, noho izy tsy mamoaka izay ataony na amin'iza na amin'iza?

14 Miteny ihany anefa Andriamanitra, mbetika toy izao, mbetika toy izao, saingy tsy tandreman'ny olona izany.

15 Miteny amin'ny nofy, na amin'ny fahitana amin'ny alina izy, raha ilay sondrian-tory mafy iny ny olona; ka matory eo am-pandriany.

16 Amin'izany no anokafany ny sofin'ny olona, ka ny fananarany dia ataony voatombokase ao,

17 mba hampialany ny olona amin'ny asany tsy mety sy hanesorany azy amin'ny avonavony,

18 mba hamonjeny ny fanahiny amin'ny fahafatesana sy ny ainy tsy ho voan'ny zana-tsipika.

19 Ny fijaliana koa no fananarana ny olombelona eo am-pandriany raha mampikotrana ny taolany ny ady lalandava.

20 Boboky ny mofo izy amin'izany, ny nahandro fy, tsy tiany mainty.

21 Ny nofony mihena hita amaso; ny taolany izay tsy hita teo dia mitranitrany:

22 Mandroso manatona ny lavaka izy, ny ainy efa azon'ny halozan'ny fahafatesana.

23 Raha mahita ho mpanalalana anefa izy, anjely iray amin'ny arivo izay hampahalala ny olombelona ny tsy maintsy ataony,

24 dia hamindra fo aminy Andriamanitra, ka hanao amin'ny anjely hoe: Afaho tsy hidina any an-davaka izy, fa efa nahita ny avotry ny ainy aho.

25 Amin'izay ny nofony dia mandina noho ny an'ny tanora kely, fa miverina amin'ny andron'ny fahatanorany izy.

26 Mivavaka amin'Andriamanitra izy, ary Andriamanitra manambina azy; mibanjina ny tavany amim-piravoravoana izy, ary ny Tsitoha mamerina aminy ny fahamarinany.

27 Mihira izy eo amin'ny olona, manao hoe: Efa nanota aho, nandika ny rariny, kanefa tsy novalian'Andriamanitra araka ny heloko.

28 Notsimbininy tsy hidina any an-davaka ny fanahiko; ary mivelatra eo amin'ny hazavana ny aiko.

29 Izany, ataon'Andriamanitra daholo izany rehetra izany, indroa, intelo, ho an'ny olombelona,

30 mba hampiverina azy avy amin'ny fahafatesana, sy hanazava azy amin'ny fahazavan'ny velona.

31 Mitandrema, ry Joba, ka mihainoa ahy, mangina ihany hitenenako.

32 Raha manan-kalahatra hianao, valio aho; mitenena, fa satriko mahita anao ho marina.

33 Raha tsy manan-kalahatra kosa, mihainoa ahy; mangina fa hampianariko fahendrena hianao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0995