Bokin'i Joba

Toko faha-35

1 Ary niteny indray Elio ka nanao hoe:

2 Moa ataonao ho rariny va, ny milaza hoe: Ny ahy no marina noho ny an'Andriamanitra?

3 Fa hoy hianao: Mampaninona ahy moa izay tsy fananako tsiny? Inona no soa azoko mihoatra noho ny raha nanota aho?

4 Indro fa hamaly anao aho, ary miaraka amin'izany koa ireo sakaizanao.

5 Tazano iry lanitra ka jereo; zahao ny rahona; avo noho hianao izy.

6 Raha manota hianao, fa ty antoka inona moa no mahazo azy, raha mihamaro ny hadisoanao, mampaninona azy akory?

7 Raha marina hianao, manome inona azy amin'izany? Inona no raisiny avy eo an-tananao?

8 Ny olona tahaka anao no hany voan'ny ratsy ataonao; ny zanak'olombelona no hany soa amin'ny fahamarinanao.

9 Mitaraina noho ny mafy afitsoky ny mpampahory ireo tra-pahoriana, midridridridry eo ambanin'ny tanan'ny mahery izy ireo.

10 Fa tsy misy manao hoe: Aiza re Andriamanitra mpahary ahy, izay mahatonga hira fifaliana amin'ny alina,

11 izay nanao antsika ho manan-tsaina noho ny biby eto an-tany, sy hendry noho ny voromanidina?

12 Amin'izay, izy mitaraina ka tsy henoina, eo ambanin'ny famoretan'ny ratsy fanahy be avonavona.

13 Tsy mihaino izay teniteny foana Andriamanitra tsy mijery izany ny Tsitoha.

14 Raha hoy hianao aminy: Tsy mahita izay zava-miseho akory hianao, dia efa mby eo anatrehany ny momba anao, ka andraso ny fitsarany.

15 Saingy raha mbola tsy mamely ny fahatezerany ka hoatra ny tsy mahalala ny fahadalany izy,

16 Dia indro mety mandefa vava miteniteny foana Joba, sy mitaria lava amin'ny lahateny tsy misy heviny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0646