Bokin'i Joba

Toko faha-42

1 Dia namaly an'ny Tompo Joba ka nanao hoe:

2 Fantatro fa mahefa ny zavatra rehetra hianao, ka tsy misy hevitra sarotra ho anao.

3 Iza moa izato manamaizina ny fandaharan'Andriamanitra tsy amim-pahalalana? Eny, niteny tsy amim-pahalalana tokoa aho, ny amin'ny zava-mahagaga tsy takatro aman-tsy fantatro!

5 Ny sofiko taloha efa nandre filazana anao, fa ny masoko kosa ankehitriny efa nahita anao.

6 Koa dia manameloka ny tenako aho, sy manenina eo amin'ny vovoka sy ny lavenona.

12 Nambinin'ny Tompo mihoatra noho ny tamin'ny taloha ny andro niainan'i Joba taty aoriana, ka nanana ondry efatra arivo amby iray alina, rameva enina arivo, omby arivo tsiroaroa, ary ampondravavy arivo.

13 Nanan-janaka fito lahy sy telo vavy izy: 14 ny voalohany nataony hoe Jemima, ny faharoa Ketsia, ary fahatelo Keren-Happoka. 15 Tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ireo zanakavavin'i Joba ireo tamin'ny tany rehetra; nomen-drainy anjara lova eo amin'ireo anadahiny izy.

16 Velona efapolo amby zato taona Joba taorian'izany; ka nahita ny zanany lahy sy ny zanakalahin'ny zanany lahy hatramin'ny taranaka fahefatra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1132