Taratasy Katolika Nosoratan'i Md. Joda
Toko voalohany
17 Fa hianareo kosa, ry malala, dia tsarovy ny teny voalazan'ny Apostolin'i Jesoa-Kristy Tompontsika fahiny,20 Aoka hianareo, ry malala, hiorina mafy amin'ny fototry ny finoanareo masina indrindra, hivavaka amin'ny alalan'ny Fanahy Masina,
21 hitahiry tena amin'ny fitiavana an'Andriamanitra, ary hiankina amin'ny famindram-pon'i Jesoa-Kristy Tompontsika, mba hahazo ny fiainana mandrakizay. 22 Amindrao fo ny sasany izay mihanahana; 23 afaho amin'ny afo no famonjy ny sasany; ary ny sasany indray amindrao fo, fa amin-tahotra, ka ankahalao na hatramin'ny akanjo voaloton'ny nofo aza. 24 Ary aoka anie ho an'ilay manam-pahefana hiaro anareo tsy ho lavo, sy hampiseho anareo ho tsy manan-tsiny amam-peno haravoana eo anatrehan'ny fiandrianany,
25 dia ho an'Andriamanitra tokana Mpamonjy antsika, amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy Tompontsika, ny voninahitra sy ny fiamboniana, ary ny hery sy ny fanjakana, hatrizay hatrizay, sy ankehitriny ary mandrakizay doria. Amena.
