Bokin'i Jonasa

Toko faha-2

1 Naniraka hazandrano lehibe anankiray Iaveh hitelina an'i Jonasa; ka tao an-kibon'ny hazandrano Jonasa, hateloan'andro sy hateloan'alina.

2 Dia nivavaka tamin'ny Tompo Andriamaniny, Jonasa, tao an-kibon'ny hazandrano, 3 ka nanao hoe: Niantso an'ny Tompo tao anatin'ny fahoriako aho, ary namaly ahy izy; nitaraina aho tao an-kibon'ny seoly, ka nihaino ny feoko hianao. 4 Natsipinao tany amin'ny hantsana aho, dia tany anatin'ny ranomasina, ka ny riaka nanodidina ahy; ny alon-dranonao aman'onjanao rehetra nandeha teo amboniko.

5 Dia hoy aho hoe: Voaroaka tsy ho eo imasonao aho; nefa mbola hibanjina ny tempolinao masina.

6 Ny rano nanery ahy hatramin'ny aiko; ny hantsana be nanodidina ahy; ny ahi-dranomasina nangeja ny lohako.

7 Tafalentika hatrany amin'ny fanambanin'ny tendrombohitra aho; ny hidin'ny tany efa voahidy tamiko mandrakizay. Kanjo hianao kosa, nampiakatra ny aiko avy any an-davaka, ry Iaveh Andriamanitro รด !

8 Raha reraka tao anatiko ny fanahiko, dia nahatsiaro an'ny Tompo aho; ka tonga hatrany aminao ny fivavahako, hatr'any an-tempolinao masina.

9 Izay miraiki-po amin'ny zava-poana tsinontsinona dia mandao ilay fototry ny famonjena.

10 Fa izaho kosa, dia amin'ny feo fiderana anao, no hanolorako sorona aminao; ary ny voady nataoko hoefaiko. An'ny Tompo ny famonjena!

11 Dia nandidy ilay hazandrano Iaveh, ka naloan'ny hazandrano teny amin'ny tany Jonasa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0377