Bokin'i Josoe

Toko faha-10

1 Ren'i Adonisedeka, mpanjakan'i Jerosalema, fa Haia dia efa azon'i Josoe, ka nataony anatema; toy ny nanaovany an'i Jerikao sy ny mpanjakany, no nanaovany an'i Haia sy ny mpanjakany koa, ary ny mponina ao Gabaona efa nanao fihavanana tamin'Israely ka mitoetra eo aminy.

2 Dia raiki-tahotra mafy izy, satria Gabaona dia tanàna lehibe toy ny iray amin'ny tanànan'andriana, lehibe aza noho Haia, sady lehilahy mahery avokoa ny ao aminy. 3 Adonisedeka, mpanjakan'i Jerosalema dia nampitondra teny tamin'i Ohama mpanjakan'i Hebrona, sy Farama mpanjakan'i Jerimota, sy tamin'i Jofià mpanjakan'i Lakisa, ary tamin i Dabira mpanjakan'i Eglona, nanao hoe: 4 Miakara aty amiko hianareo, avia hanampy ahy hamelezantsika an'i Gabaona, satria nanao fihavanana tamin'i Josoe sy ny zanak'Israely izy. 5 Dia niangona ny mpanjakan'ny Amoreana, ny mpanjakan'i Jerosalema, ny mpanjakan'i Hebrona, ny mpanjakan'i Jerimota, ny mpanjakan'i Lakisa ary ny mpanjakan'i Eglona, ka niakatra niaraka tamin'ny mpiantafika rehetra, ary nanorina ny tobiny teo akaikin'i Gabaona sy nanao fahirano azy. 6 Dia naniraka olona ny mponina ao Gabaona nilaza tamin'i Josoe tao an-tobin'i Galgalà hoe: Aza manohon-tànana tsy manampy ny mpanomponao, fa miakara faingana ho aty aminay, afaho izahay, ampio izahay, fa nikambana hamely anay ny mpanjakan'ny Amoreana rehetra monina amin'ny tendrombohitra.

7 Dia niakatra avy any Galgalà Josoe sy ny mpiantafika rehetra niaraka taminy, mbamin'ny mpiady mahery rehetra. 8 Hoy Iaveh tamin'i Josoe: Aza matahotra azy, fa efa natolotro eo an-tànanao izy, ka tsy hahatoha anao na dia iray aza. 9 Nirotsaka tampoka tamin'izy ireo Josoe: fa nanao lava alina izy no niakatra avy any Galgalà, 10 sady nampifanaritahan'ny Tompo teo anoloan'Israely izy ireo, ka nataon'Israely kilahotohoto tao akaikin'i Gabaona sy nenjehiny tamin'ny làlana mankany Betoròna, ary nasiany hatrany Azekà sy Makedà. 11 Tamin'ny nandosiran'izy ireo teo anatrehan'ny zanak'Israely teo amin'ny fidinan'i Betoròna dia nampianjeran'ny Tompo vato vaventy izy ireo hatrany Azekà, ka maty; be lavitra ny matin'ny havandra vato noho ny matin'ny sabatry ny zanak'Israely. 12 Dia niteny tamin'ny Tompo Josoe tamin'ny andro nanoloran'ny Tompo ny Amoreana tamin'ny zanak'Israely, ka hoy izy teo imason'ny zanak'Israely: Ry masoandro, mijanona eo ambonin'i Gabaona ary hianao, ry volana, ambonin'ny lohasaha Ajalona.

13 Dia nijanona ny masoandro ary tsy nandroso koa ny volana Mandra-pamalin'ny firenena ny fahavalony. Tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny olo-Marina va izany? Ary tokony ho indray andro maninjitra no nijanonan'ny masoandro teo afovoan'ny lanitra fa tsy nalaky nilentika izy.

14 Tsy nisy andro toy izany, na tany aloha na taty aoriana, izay nihainoan'ny Tompo ny feon'ny olona anankiray, fa niady momba an'Israely Iaveh. 15 Dia niverina nankany an-toby any Galgalà Josoe sy Israely rehetra niaraka taminy koa. 16 Nandositra niery tao anaty zohy tao Makedà ny mpanjaka dimy lahy;

17 ka nolazain'ny olona tamin'i Josoe hoe: Hita miery ao anatin'ny zohy ao Makedà, ny mpanjaka dimy. 18 Dia hoy Josoe: Kodiavo vato lehibe ny vava zohy, dia asio olona hiambina azy. 19 Ary hianareo aza mijanona fa enjeho ny fahavalonareo, asio izy amin'ny vody làlany, aza avela ho tafiditra any an-tanànany ireny; fa efa natolotry ny Tompo Andriamanitrareo eo an-tànanareo. 20 Nony efa nasian'i Josoe sy ny zanak'Israely ireny tamin'ny nandreseny azy mafy dia mafy ka naringany, izay mba nety ho afaka kosa dia nandisotra tamin'ny tanàna mimanda; 21 ary ny vahoaka rehetra niverina tsy amin'ahiahy tao an-toby any amin'i Josoe any Makedà, ary tsy nisy olona sahy niteny indraim-bava akory manohitra ny zanak'Israely. 22 Dia hoy Josoe: Sokafy ny vava zohy, ka avoahy ao ireo mpanjaka dimy hoentina mankaty amiko.

23 Nataony izany, nentina nankany aminy ny mpanjaka dimy, izay navoakany avy ao an-johy, ny mpanjakan'i Jerosalema, ny mpanjakan'i Hebrona, ny mpanjakan'i Jerimota, ny mpanjakan'i Lakisa, ary ny mpanjakan'i Eglona. 24 Nony efa navoakany ho eo anatrehan'i Josoe, ireo mpanjaka ireo, dia nantsoin'i Josoe ny lehilahy rehetra amin'Israely ka hoy izy tamin'ireo filohan'ny lehilahy mpiantafika, izay niaraka taminy: Manatòna hianareo, ka ataovy eo amin'ny vozon'ireto mpanjaka ireto ny tongotrareo. Dia nanatona ireo ka nanitsaka ny vozon'ireto mpanjaka tamin'ny tongony. 25 Ary hoy Josoe taminy: Aza matahotra na manan-badipò fa matanjaha ka mahereza, fa toy izao avokoa no hanaovan'ny Tompo ny fahavalonareo rehetra izay hiadianareo. 26 Rahefa izany dia nasian'i Josoe ireo, ka nataony maty, ary nahantony tamin'ny hazo dimy, ka nihantona teo mandra-paharivan'ny andro. 27 Nony efa ho faty ny masoandro, dia nasain'i Josoe nampidinina amin'ilay zohy niereny, ary teo am-bava zohy nasiana vato lehibe mbola ao mandraka androany. 28 Afak'i Josoe androtr'izay ihany koa Makedà, ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany, ary naringany nataony anatema ny tanàna mbamin'ny manana aina rehetra tao, fa tsy nasiany niangana na dia iray aza, ary tahaka ny nanaovany ny mpanjakan'i Jerikao no nanaovany ny mpanjakan'i Makedà koa.

29 Niala tao Makedà Josoe sy Israely rehetra niaraka taminy, dia nankany Lebnà, ary namely an'i Lebnà izy.

30 Natolotry ny Tompo teo an-tànan'Israely koa izy sy ny mpanjakany, ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy mbamin'ny manana aina rehetra tao, tsy nasiany niangana na dia iray aza, ary toy ny nanaovany ny mpanjakan'i Jerikao no nanaovany ny mpanjakany koa. 31 Niala teo Lebnà Josoe sy Israely rehetra niaraka taminy, dia nankany Lakisa, ka nanorina ny tobiny teo anoloany sy namely azy.

32 Natolotry ny Tompo teo an-tànan'Israely Lakisa, ka tamin'ny andro faharoa dia afany, ary nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy sy ny manana aina rehetra tao toy ny nataony tamin'i Lebnà. 33 Niakatra hamonjy an'i Lakisa, Horama mpanjakan'i Gazera, tamin'izay, fa nasian'i Josoe izy sy ny vahoakany ka tsy navelany hisy afa-nandositra akory. 34 Niala tao Lakisa Josoe sy Israely rehetra niaraka taminy dia nankany Eglona, ka nitoby teo anoloany sy namely azy.

35 Androtr'izay ihany dia afany izy ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra; ny manana aina rehetra tao dia nataony anatema iny andro iny, araka izay rehetra nataony tamin'i Lakisa. 36 Niakatra avy eo Eglona Josoe sy Israely rehetra niaraka taminy, dia nankany Hebrona, ka namely azy izy ireo.

37 Nony afany dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany ary ny tanàna momba azy rehetra mbamin'izay manana aina rehetra tao. 38 Dia nitodika nankany Dabira Josoe sy Israely rehetra niaraka taminy.

39 Azony izy sy ny mpanjakany ary ny tanàna rehetra momba azy dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra, ary nataony anatema avokoa ny manana aina rehetra tao, fa tsy navelany hisy afa-nandositra akory. Toy ny nanaovan'i Josoe an'i Hebrona sy ny nanaovany an'i Lebnà sy ny mpanjakany, no nanaovany an'i Dabira sy ny mpanjakany koa. 40 Nasian'i Josoe avokoa ny tany manontolo, ny Tendrombohitra, ny Negeba, ny tany lemaka sy ny tanety, mbamin'ny mpanjakany rehetra; tsy navelany hisy afa-nandositra, fa nataony anatema avokoa rahefa mety ho manana aina koa, araka izay nandidian'ny Tompo Andriamanitr'Israely.

41 Nasian'i Josoe ireny, hatrany Kadesa-Barne ka hatrany Gaza ary ny tany Gosena rehetra hatrany Gabaona. 42 Fanafihana indray mandeha monja no nahazoan'i Josoe ireo mpanjaka rehetra ireo sy ny taniny rehetra, satria Iaveh Andriamanitr'Israely no niady ho an'Israely. 43 Rahefa izany dia niverina nankany an-toby any Galgalà Josoe, sy Israely rehetra niaraka taminy koa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0521