Bokin'i Josoe

Toko faha-24

1 Novorin'i Josoe, tao Sikema, ny fokon'Israely rehetra; nantsoiny avokoa ny loholon'Israely, ny lehibeny, ny mpitsarany ary ny manamboninahiny; ka niseho teo anatrehan'ny Tompo izy ireo:

2 dia hoy Josoe tamin'ny vahoaka rehetra. Izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely: Taloha dia tany an-dafin'ny ony no nonenan'ny razanareo. Tare rain'i Abrahama sy rain'i Nakora, ary andriamani-kafa no notompoin'izy ireo. 3 Nalaiko tany an-dafin'ny ony Abrahama razanareo ary nentiko ho amin'ny tany Kanaana rehetra; nampitomboiko taranaka, ary nomeko an'Isaaka izy. 4 Isaaka dia nomeko an'i Jakoba sy Esao; ary Esao nomeko ny tendrombohitra Seïra ho fananany, ary Jakoba sy ny zanany nidina nankany Ejipta. 5 Taorian'izany dia nirahiko Moizy sy Aarona ary nasiko Ejipta araka izay nataoko teo afovoany; ary rahefa izany dia nentiko nivoaka hianareo. 6 Nentiko nivoaka avy tany Ejipta ny razanareo, ka tonga teo amin'ny ranomasina hianareo. Ny Ejipsiana an-kalesy sy an-tsoavaly nanenjika ny razanareo, hatreo amin'ny ranomasina Mena. 7 Velon-taraina tamin'ny Tompo izy ireo, ka nasian'ny Tompo aizina teo anelanelanareo sy ny Ejipsiana, nakatony tamin'izy ireo ny ranomasina ka nanafotra azy, ary masonareo no nahita izay nataoko tany Ejipta; dia nitoetra ela tany an'efitra hianareo. 8 Nentiko ho any amin'ny tanin'ny Amoreana izay monina any an-dafin'i Jordany hianareo, ka niadian'ireny. Natolotro teo an-tànanareo izy, nahazo ny taniny hianareo, ary naringako teo anoloanareo izy. 9 Nitsangana Balàka, zanak'i Sefòra, mpanjakan'i Moaba, ka niady tamin'Israely; nampiantso an'i Balaama zanak'i Beora izy hanozona anareo. 10 Fa tsy nety nihaino an'i Balaama aho, ka nitso-drano anareo izy, dia voavonjiko tamin'ny tànan'i Balàka hianareo. 11 Nita an'i Jordany hianareo, dia tonga tao Jerikao; niady taminareo ny mponina tao Jerikao, ny Amoreana, ny Ferezeana, ny Kananeana, ny Heteana, ny Gergeseana, ny Heveana ary ny Jeboseana; ka natolotro teo an-tànanareo ireny. 12 Nalefako teo alohanareo ny fanenitra izay nandroaka an'ireny teo anoloanareo, mbamin'ny mpanjaka roa tamin'ny Amoreana: tsy tamin'ny sabatra aman-tsipìkanareo no nahatanterahan'izany. 13 Nomeko tany tsy nasainareo hianareo sy tanàna tsy naorinareo, ary monina ao, tanim-boaloboka aman'oliva izay tsy nambolenareo, ka mihinana ny vokany hianareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2319