Bokin'i Josoe

Toko faha-5

10 Nitoby tao GalgalĂ  ny zanak'Israely, dia nanao ny Paka, tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folon'ny volana, rahefa harivariva ny andro, teo an-tany lemak'i Jerikao.

11 Ny ampitson'ny Paka ihany no efa nihinanany mofo tsy misy lalivay sy lango, tamin'ny vokatry ny tany. 12 Ary ny ampitson'ny Paka, rahefa nihinana tamin'ny vokatry ny tany izy, dia nitsahatra ny mana; ary tsy nahazo mana intsony ny zanak'Israely, ka dia ny vokatry ny tany Kanaana no nohaniny tamin'izany taona izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0319