Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

1 Korintiana toko 15, 12.16-20

       <12Raha torina ho nitsangana tamin'ny maty àry ny Kristy, ahoana ity ilazàn'ny sasany aminareo hoe: tsy misy fitsanganan'ny maty? 16Fa na dia ny Kristy aza dia tsy nitsangana tamin'ny maty, raha tsy mitsangana ny maty. 17Ary raha tsy mitsangana ny maty, dia foana ny finoanareo; mbola ao aminareo ihany ny fahotanareo, 18ary very ry zareo nody mandry ao amin'ny Kristy. 19Ka dia isika no ho fara fahoriana indrindra amin'ny olon-drehetra, raha amin'ity fiainana ity ihany no anantenantsika ny Kristy.
       20Tsy izany anefa, fa efa nitsangana tamin'ny maty tokoa ny Kristy, ary izy no santatr'izay efa nody mandry; >