Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

Korintiana I toko 4. 1-5
An'Andriamanitra ny fitsarana - Izy Paoly manetry tena - Fananarana ny zanany.

       1 Aoka hataon'ny olona ho mpandraharanan'ny Kristy izahay, sy mpitandrina ny misterin'Andriamanitra. 2 Ary raha mpitandrim-pananana, dia ny ho samy mahatoky no ilaina indrindra. 3 Raha ny amiko, dia tsy mampaninona ahy na hotsarainareo aho, na hotsarain'ny andron'ny olona; fa na izaho aza tsy mitsara tena. 4 Satria tsy hitako izay tsiniko, nefa tsy mahamarina ahy izany, fa ny Tompo no mpitsara ahy. 5 Noho izany, aza mitsara alohan'ny fotoana, dia mandra-pahatongan'ny Tompo; fa izy no hampiharihary ny zavatra takona ao amin'ny maizina, ka hampiseho ny hevitry ny fo, ary amin'izay vao samy hahazo izay dera tandrifin'azy tsirairay avy.