Levitika

Toko faha-23

1 Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

4 Ireto no fetin'ny Tompo, ny fivoriana masina izay hantsoinareo amin'ny fotoany avy:

5 Amin'ny volana voalohany, andro fahefatra ambin'ny folon'ny volana amin'ilay àty takariva iny, dia Pakan'ny Tompo.

6 Ary ny andro fahadimy ambin'ny folon'io volana io, dia fetin'ny mofo tsy misy lalivay, fankalazana an'ny Tompo; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy lalivay. 7 Amin'ny andro voalohany hisy fivoriana masina ho anareo, ary tsy hanao asam-panompo na inona na inona hianareo. 8 Mandritra ny hafitoana, hanatitra sorona atao amin'ny afo ho an'ny Tompo hianareo. Ary amin'ny andro fahafito, hisy fivoriana masina ho anareo, tsy hanao asam-panompo hianareo, na inona na inona. 9 Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

10 Mitenena amin'ny zanak'Israely ka lazao aminy hoe: Raha avy izay hahatafidiranareo any amin'ny tany omeko anareo, ka mijinja ny vokatrareo hianareo, dia hitondra amboaram-bary iray amin'ny mpisorona ho santatry ny vokatrareo. 11 Hahevahevany eo anatrehan'ny Tompo io amboara io, hahitanareo sitraka aminy; ary ny ampitson'ny sabata no hanevahevan'ny mpisorona azy. 15 Ary miantomboka amin'ny ampitson'ny sabata amin'ny andro nitondranareo ny amboara hahevaheva dia hanisa herinandro fito mipaka hianareo.

16 Hanisa andro dimampolo hianareo aloha mandra-pahatongan'ny ampitson'ny sabata fahafito, dia hanatitra fanatitra vaovao amin'ny Tompo. 27 Ny andro fahafolon'io volana fahafito io no andron'ny Fanonerana: Hanao fivoriana masina hianareo, hampijaly tena, ary hanatitra sorona atao amin'ny afo ho an'ny Tompo.

34 Mitenena amin'ny zanak'Israely ka lazao hoe: Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'io volana fahafito io, no fetin'ny Tabernakla, mandritra ny hafitoana, ho fankalazana an'ny Tompo. 35 Amin'ny andro voalohany, hisy fivoriana masina. Tsy hanao asam-panompo na inona na inona hianareo; 36 mandritra ny hafitoana dia hanatitra sorona atao amin'ny afo ho an'ny Tompo hianareo. Ary amin'ny andro fahavalo, hisy fivoriana masina ho anareo, ary hanatitra sorona atao amin'ny afo ho an'ny Tompo hianareo, famaranam-pety izany: tsy hanao asam-panompo na inona na inona hianareo. 37 Ireo no fetin'ny Tompo hantsoinareo hanaovana fivoriana masina, hanaterana amin'ny Tompo sorona atao amin'ny afo, sorona dorana, fanatitra, sorona sy fanatitra araraka, samy amin'ny fotoany avy;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2013