Levitika

Toko faha-24

1 Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

2 Omeo didy ny zanak'Israely hanatitra aminao diloilo madio avy amin'ny oliva voatoto, hamelomana ny jiro lalandava. 3 Aarona no hamboatra azy, eo ivelan'ny efitra lamba, anoloan'ny vavolombelona, ao an-trano lay fihaonana, mba hirehetany lalandava eo anatrehan'ny Tompo, hatramin'ny hariva ka hatramin'ny maraina. Lalàna tsy tapaka ho an'ny taranakareo izany. 4 Halahany eo amin'ny fanaovan-jiro volamena madio ny lalampy ho eo anatrehan'ny Tompo lalandava. 5 Haka lafarina tsara indrindra hianao ka handrahoanao mofomamy roa ambin'ny folo, samy ho roa ampahafolon'ny efah avy ny mofomamy.

6 Hapetrakao mifanongoa amin'ny antontany roa ireo, enina isan-antontany, eo ambonin'ny latabatra volamena madio, eo anatrehan'ny Tompo. 7 Hasianao emboka madio eo ambonin'ny isan'antontany avy, ho fahatsiarovana, eo ambin'ny mofo atolotra amin'ny afo ho an'ny Tompo. 8 Halahatra tsy tapaka isan'andro sabata ireo mofo ireo avy amin'ny zanak'Israely, eo anatrehan'ny Tompo: fanekem-pihavanana maharitra lalandava izany. 9 Ho anjaran'i Aarona sy ny zanany, ireo; ary eo amin'izay toerana masina no hihinanany azy, satria zava-masina dia masina ho azy ireo izany amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'ny Tompo. Lalàna maharitra lalandava izany. 10 Nisy zanakalahin'ny vehivavy Israelita anankiray, nefa zanaky ny lehilahy Ejipsiana, nankeo afovoan'ny zanak'Israely: ary nifampila kisa teo an-toby ny zanakalahin'ilay vehivavy Israelita sy ny lehilahy anankiray amin'Israely.

11 Ny zanakalahin'ny vehivavy Israelita nanevateva ny Anarana masina sady nanozona; ary ny anaran-dreniny dia Salomita, zanak'i Dabrì, avy amin'ny fokon'i Dana; 12 ka nambenan'ny olona izy mandra-pilaza amin'izy ireo ny tenin'ny Tompo. 13 Dia niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe: 14 Asaovy mivoaka ny toby ilay mpanevateva, ka aoka hametra-tànana eo ambonin'ny lohany izay rehetra nandre azy, dia aoka ny fiangonana rehetra hitora-bato azy. 15 Ary hiteny amin'ny zanak'Israely hianao hanao hoe: Izay rehetra manozona ny Andriamaniny, dia hilonjy ny helony; 16 ary izay manevateva ny anaran'ny Tompo, dia hohelohin-ko faty, ka hitora-bato azy ny fiangonana rehetra. Na vahiny, na tompon-tany, rahefa manevateva ny Anarana masina dia ho faty. 17 Izay mamono mahafaty olona, dia hovonoin-ko faty.

18 Izay mamono mahafaty biby fiompy, dia hanonitra hoatra azy: aina solon'ny aina. 19 Izay mandratra ny namany, dia hasiana toraky ny nataony: 20 tapaka efain-tapaka, maso efai-maso, nify efai-nify, izay ratra nafitsony ny namany dia mba afitsoka azy koa. 21 Izay mahafaty biby fiompy hanonitra hoatra azy; fa izay mahafaty olona kosa, dia hatao maty koa. 22 Hofehezin'izany lalàna iray izany avokoa hianareo na vahiny na tompon-tany, fa izaho no Iaveh Andriamanitrareo. 23 Nony voalazan'i Moizy tamin'ny zanak'Israely izany, dia navoakan'izy ireo ilay mpanevateva, ka notorahany vato. Notanterahin'ny zanak'Israely ny didy nomen'ny Tompo an'i Moizy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0463