Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-10

17 Ary niverina tamin-kafaliana ny roa amby fitopolo lahy ka nanao hoe: Tompo ô, na dia ny demony aza dia manaiky anay noho ny anaranao.

18 Dia hoy Jesoa taminy: Nahita an'i Satana latsaka avy tany an-danitra toy ny varatra aho. 19 Indro efa nomeko ny fahefana hanitsaka ny bibilava sy ny maingoka mbamin'ny hery rehetra ananan'ny fahavalo hianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory ireny. 20 Tsy noho ny fanahy ratsy manaiky anareo anefa no tokony hifalianareo, fa noho ny anaranareo efa voasoratra any an-danitra no ifalio. 21 Tamin'izay nientan-kafaliana tamin'ny Fanahy Masina izy ka nanao hoe: Misaotra anao aho, ry Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, noho hianao nanafina izany tamin'ny mahay sy ny hendry, fa nanambara azy tamin'ny zaza madinika kosa. Eny, Raiko, fa izany no sitra-ponao.

22 Efa nomen'ny Raiko ahy ny zavatra rehetra, ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, na ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian'ny Zanaka hanambarana azy. 23 Dia nitodika tamin'ny mpianany izy ka nilaza taminy manokana hoe: Sambatra ny maso mahita izay hitanareo; 24 fa lazaiko aminareo fa maro ny mpaminany sy ny mpanjaka naniry hahita izay hitanareo, fa tsy nahita, ary handre izay renareo, fa tsy nandre.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0749