Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-11

42 Fa loza ho anareo, ry Farisiana, satria ny fahafolon'ny solila sy ny rota ary ny anana rehetra aloanareo, ary ny rariny sy ny fitiavana an'Andriamanitra tsy asianareo raharaha akory; nefa tsy maintsy atao izany, ary tsy azo ajanona koa ny sisa.

43 Loza ho anareo, ry Farisiana, fa tia ny toerana voalohany ao amin'ny sinagoga sy ny arahaba eny an-kianja hianareo. 44 Loza ho anareo, fa toy ny fasana tsy hita hianareo, ka hitsahin'ny olona fa tsy fantany. 45 Dia niteny ny mpampiana-dalàna anankiray ka nanao taminy hoe: Ry Mpampianatra ô, raha izany no ataonao, dia manala baraka anay koa hianao.

46 Fa hoy Jesoa: Loza ho anareo koa, ry mpampianatra ny Lalàna, fa mampitondra entan-tsy zaka ny olona hianareo, nefa na dia ny rantsan-tànanareo iray aza tsy akasikareo an'izany akory.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0776