Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-11

47 Loza ho anareo, fa manao fasana ho an'ny mpaminany hianareo, kanefa ny razanareo ihany no namono azy! 48 Koa mitsangan-ko vavolombelona sy mpankasitraka ny nataon'ny razanareo hianareo, fa izy moa namono ny mpaminany, hianareo kosa manao fasana ho azy. 49 Izany no nanaovan'ny Fahendren'Andriamanitra hoe: Haniraka mpaminany sy apostoly ho any aminy aho, ka ny sasany hovonoiny ary ny sasany hoenjehiny. 50 mba hampamoahina an'ity taranaka ity avokoa ny ràn'ny mpaminany rehetra izay nalatsaka hatramin'ny nahariana an'izao tontolo izao, 51 dia hatramin'ny ràn'i Abela ka hatramin'ny ràn'i Zakaria izay novonoina tanelanelan'ny otely sy ny tempoly. Eny, lazaiko aminareo fa hampamoahina an'izany tokoa ity taranaka ity. 52 Loza ho anareo ry mpampianatra ny Lalàna, fa nalainareo ny fanalahidin'ny fahalalana, ka hianareo tsy niditra, ny te-hiditra nosakananareo. 53 Raha mbola niteny izany izy, dia nododonan'ny Farisiana sy ny mpanora-dalàna, ary nozezehany fanontaniana maro,

54 mba hamandrihany azy sy hahazoany vava latsaka hiampangana azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.075