Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-12

1 Tamin'izay dia tafangona an'arivony maro ny olona ka efa nila hifanosy mihitsy, dia niteny tamin'ny mpianany Jesoa nanao hoe: Tandremo aloha indrindra sao voan'ny lalivain'ny Farisiana hianareo, izany hoe: ny fihatsarambelatsihy.

2 Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra. 3 Koa izay rehetra nolazainareo tao amin'ny maizina dia ho re ao amin'ny mazava, ary izay nobitsihinareo tamin'ny sofina tao an-trano, dia hotorina eny an-tafon-trano. 4 Ka izao no lazaiko aminareo sakaizako: Aza matahotra izay mahafaty ny nofo, nefa rahefa izany tsy afa-manoatra intsony; 5 fa hany tokony hatahoranareo dia izao: matahotra izay manam-pahefana hamarina any amin'ny afobe rahefa novonoiny hianareo; eny, hoy izaho aminareo, matahora azy. 6 Moa tsy ilavoamena va no vidin'ny fody dimy? Kanefa tsy misy hadinoina eo anatrehan'Andriamanitra amin'ireny na dia iray aza. 7 Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Koa aza matahotra àry, fa mihoatra lavitra noho ny fody maro hianareo. 8 Ary lazaiko aminareo koa fa na iza na iza haneky ahy eo anatrehan'ny olona dia hoeken'ny Zanak'olona koa izy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra;

9 fa izay handà ahy eo anatrehan'ny olona kosa dia holavina koa izy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra. 10 Na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak'olona dia hahazo famelan-keloka ihany; fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka intsony. 11 Raha entina ho any amin'ny sinagoga sy ny mpanapaka ary ny manam-pahefana hianareo, dia aza manahy izay hamalianareo na izay holazainareo, 12 fa hatoron'ny Fanahy Masina anareo eo no ho eo ihany izay holazainareo. 13 Tamin'izay dia nisy anankiray tao amin'ny vahoaka nanao taminy hoe: ry Mpampianatra, mba ilazao kely ny rahalahiko hizara ny lovanay amiko.

14 Fa hoy Jesoa taminy: Ralehilahy ô, iza moa no nanendry ahy ho mpitsara na ho mpizara aminareo? 15 Ary hoy izy tamin'ny olona: Tandremo tsara sao azon'ny fahihirana hianareo, fa ny ain'ny olona tsy miankina amin'ny habetsahan'izay ananany. 16 Dia nanao fanoharana tamin'izy ireo izy ka nanao hoe: Nanan-tany nahavokatra be ity lehilahy mpanan-karena anankiray, 17 ka velona eritreritra toy izao: Inona re no hataoko, fa tsy manan-toerana hamoriako ny vokatro aho ity? 18 Izao lahy no ndeha hataoko, hoy izy: horavàko ny toeram-bariko ka hanao lehibebe kokoa aho, dia hangoniko ao daholo rahefa mety ho vokatro sy fananako rehetra, 19 ary holazaiko amin'ny fanahiko hoe: Ry fanahiko, manam-pananana be ampy ho amin'ny taona maro hianao ka mialà sasatra, mihinàna, misotroa, manaova fihinanam-be. 20 Fa hoy kosa Andriamanitra taminy: Ry adala, anio alina ihany dia halaina aminao ny fanahinao, ka ho an'iza àry izay novorinao? 21 Toy izany ny olona izay manangon-karena ho an'ny tenany ihany, fa tsy mba mihary eo amin'Andriamanitra. 22 Dia hoy Jesoa tamin'ny mpianany: Noho izany dia lazaiko aminareo fa aza manahy izay hanina hivelomanareo, na izay fitafiana hitafian'ny vatanareo;

23 fa ambony noho ny hanina ny aina, ary mihoatra noho ny fitafiana ny tena. 24 Diniho ange ny goaika e: tsy mamafy izy na mijinja, ary tsy manan-trano fitahirizan-kanina, na toeram-bary, fa Andriamanitra no mamelona azy, ka moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va hianareo? 25 Ary na dia hanahy aza hianareo, iza moa no mahay mampitombo ny halavany iray hakiho akory? 26 Koa raha ny kely indrindra aza tsy efanareo, ahoana no anahianareo ny zavatra hafa? 27 Diniho koa ange ny fanirin'ny lisy e: tsy mba miasa na mamoly ireny; kanefa lazaiko aminareo fa na Salomona teo amin'ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin'izy ireny. 28 Koa raha toy izany àry no ampitafian'Andriamanitra ny ahitra izay eny an-tsaha anio nefa hariana any am-patana rahampitso, tsy mainka va hianareo, ry kely finoana? 29 Ka aoka re hianareo tsy hikaroka izay hohaninareo na izay hosotroinareo, ary aza be ahiahy foana; 30 fa ny jentily amin'izao tontolo izao no manahy ny amin'izany rehetra izany. Fantatry ny Rainareo anie fa ilainareo izany e. 31 Koa katsaho àry aloha ny fanjakan'Andriamanitra, dia homena anareo ho fanampiny izany rehetra izany. 32 Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.

33 Amidio izay anananareo ka anaovy fiantrana; manaova kitapom-bola tsy tontan'ny ela ho anareo, dia rakitra tsy mety lany any an-danitra, izay tsy azon'ny mpangalatra idirana sady tsy misy kalalao manimba; 34 fa izay misy ny harenareo no hisy ny fonareo koa. 35 Aoka ho voahetra ny valahanareo, ary ho voarehitra ny jironareo.

36 Manaova toy ny olona izay miandry ny fotoana hiverenan'ny tompony avy amin'ny fampakaram-bady, mba hamoha azy miaraka amin'izay raha vantany vao tonga sy mandondòna izy. 37 Sambatra ireo mpanompo tratran'ny tompony miambina raha tonga izy; lazaiko marina aminareo fa hisikina ny tompony ka hampipetraka azy hihinana, ary ho avy hampihinana azy. 38 Na tonga amin'ny fiambenana faharoa izy, na tonga amin'ny fiambenana fahatelo ka mahatratra azy manao toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo. 39 Ary fantaro tsara fa raha fantatry ny tompon-trano ny ora hihavian'ny mpangalatra, dia hiambina izy, fa tsy hamela ny tranony hotamìna. 40 Koa mivonòna koa hianareo, fa ho avy amin'izay ora tsy hampoizinareo ny Zanak'olona. 41 Dia hoy Piera taminy: Tompoko, ho anay ihany va no ilazanao izany fanoharana izany, sa ho an'ny olona rehetra koa?

42 Ary hoy ny Tompo: Iza moa no mpitandrim-pananana mahatoky sy hendry izay hotendren'ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy ny anjara variny ara-potoana? 43 Sambatra izany mpanompo izany raha tratry ny tompony manao tahaka izany raha avy izy. 44 Lazaiko marina aminareo fa hotendreny ho mpitandrina ny fananany rehetra izy. 45 Fa raha izany mpanompo izany kosa, manao anakampo hoe: Ela vao ho avy ny tompoko, ka amin'izany dia mikapoka ny ankizilahy sy ny ankizivavy izy, sady mihinana sy misotro ka mamo, 46 dia ho avy amin'ny andro tsy ampoiziny sy amin'ny ora tsy fantany ny tompon'izany mpanompo izany, ka hataony rotiky ny kapoka izy, ary homeny anjara any amin'ny mpanompo ratsy. 47 Izay mpanompo nahalala ny sitra-pon'ny tompony ihany nefa tsy niomana, na tsy nanao araka ny sitra-pony, no hokapohina imbetsaka; 48 fa izay tsy nahalala kosa, na nanao zavatra mendri-pamaizana aza, dia hokapohina kelikely ihany. Izay nomena be no hitakiana be, ary izay nanankinana be no hadinina be koa. 49 Tonga hanipy afo ety ambonin'ny tany aho, ka akory ity faniriako mba hirehetan'izany sahady!

50 Ary manana batemy hanaovana batemy ahy koa aho, ka ory manao ahoana aho ambara-pahatanterak'izany!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2294