Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-12

35 Aoka ho voahetra ny valahanareo, ary ho voarehitra ny jironareo.

36 Manaova toy ny olona izay miandry ny fotoana hiverenan'ny tompony avy amin'ny fampakaram-bady, mba hamoha azy miaraka amin'izay raha vantany vao tonga sy mandondòna izy. 37 Sambatra ireo mpanompo tratran'ny tompony miambina raha tonga izy; lazaiko marina aminareo fa hisikina ny tompony ka hampipetraka azy hihinana, ary ho avy hampihinana azy. 38 Na tonga amin'ny fiambenana faharoa izy, na tonga amin'ny fiambenana fahatelo ka mahatratra azy manao toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0831