Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-13

10 Ary nampianatra tao amin'ny sinagoga anankiray Jesoa indray sabata.

11 Ka nisy vehivavy anankiray teo azon'ny demony hatramin'ny valo ambin'ny folo taona, ka efa nataony saozanina sy nanjoko tsy afa-nitraka mihitsy. 12 Nony nahita azy Jesoa dia niantso azy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, afaka ny aretinao. 13 Dia nametrahany tànana izy, ka nitraka niaraka tamin'izay, sy nankalaza an'Andriamanitra. 14 Fa sosotra ny lehiben'ny sinagoga noho Jesoa nanasitrana tamin'ny andro sabata, ka niloa-bava tamin'ny vahoaka nanao hoe: Henemana no andro azo iasana ka tongava hositranina amin'ireo hianareo, fa aza amin'ny andro sabata. 15 Fa hoy ny navalin'ny Tompo azy: Ry mpihatsaravelatsihy, moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny ampondrany hiala amin'ny tranony avy hianareo, ka mitondra azy hisotro rano na dia sabata aza ny andro? 16 Ary ity zanakavavin'i Abrahama izay efa nafatotr'i Satana hatramin'ny valo ambin'ny folo taona ity ve tsy tokony hovahana amin'izany fatorana izany amin'ny andro sabata? 17 Tamin'izy niteny izany, izay rehetra nanohitra azy dia nangaihay foana, fa ny vahoaka rehetra kosa nifaly noho ny zavatra malaza rehetra nataony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1209