Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-15

3 Dia nanao ity fanoharana ity tamin'izy ireo Jesoa hoe: 4 Iza moa aminareo no manana ondry zato ka very ny anankiray no tsy handao ny sivy amby sivifolo any an'efitra, ka handeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? 5 Ary rahefa hitany dia ataony eo an-tsorony an-kafaliana, 6 ka nony tonga any an-tranony izy, dia mamory ny sakaizany sy ny olo-mifanakaiky aminy ary manao amin'ireo hoe: Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny ondriko very. 7 Lazaiko aminareo, fa toy izany koa hisy hafaliana lehibe kokoa any an-danitra amin'ny mpanota iray mibebaka, noho ny amin'ny olo-marina sivy amby sivifolo tsy mila fibebahana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0858