Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko voalohany

69 ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika tao amin'ny fokon'i Davida mpanompony, 70 araka ny nolazainy tamin'ny vavan'ireo mpaminaniny masina hatramin'ny andro tany aloha, 71 mba hamonjy antsika amin'ny fahavalontsika sy amin'ny tànan'izay rehetra mankahala antsika. 72 He izany nanaovany famindra-po tamin'ny razantsika sy nahatsiarovany ny fanekeny masina,

73 dia ilay fianianana nataony tamin'i Abrahama razantsika hanome antsika 74 fahafahana amin'ny tànan'ny fahavalontsika, mba hanompoantsika azy tsy aman-tahotra, 75 amim-pahamasinana sy fahamarinana, eo anatrehany amin'ny andro rehetra hiainantsika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0586