Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-24

46 ka hoy izy taminy: Araka ny voasoratra dia tsy maintsy hijaly ny Kristy sy hitsangana amin'ny maty amin'ny andro fahatelo, 47 ary tsy maintsy torìna amin'ny firenen-drehetra, miantomboka amin'i Jerosalema, ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin'ny anarany. 48 Hianareo no vavolombelon'izany. 49 Ary izaho kosa haniraka aminareo ilay nampanantenain'ny Raiko; fa mitoera ao an-tanàna hianareo mandra-pandrainareo ny hery avy any ambony. 50 Dia nentiny hivoaka ny tanàna hatrany Betania izy ireo, ary nanandratra ny tànany izy ka nitso-drano azy.

51 Raha mbola nitso-drano azy izy, dia nisaraka taminy, ka nakarina ho any an-danitra. 52 Iretsy kosa, rahefa avy nitsaoka azy, dia niverina tany Jerosalema tamin-kafaliana lehibe, 53 ary tao anatin'ny tempoly mandrakariva izy ireo nidera sy nisaotra an'Andriamanitra. Amena.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0764