Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Lioka toko 3, 15-16.21-22

       <15Ary raha mbola niandry ny olona, sy samy nisaina tao am-pony fa Joany angaha no Kristy, 16dia niteny Joany ka nanao tamin'izy rehetra hoe: Izaho manao batemy anareo amin'ny rano, fa avy ilay mahery noho izaho, ary tsy mendrika hamaha ny fehin-kapany akory aho: izy no hanao batemy anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo;
       21Tamin'ilay natao batemy iny ny vahoaka rehetra dia natao batemy koa Jesoa, ka raha mbola nivavaka izy dia nisokatra ny lanitra; 22ary nidina teo amboniny ny Fanahy Masina naka endri-batana toy ny an'ny voromailala, dia nisy feo re avy any an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako, hianao no ankasitrahako indrindra. >