Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-4

31 Ary nidina tany Kafarnaoma tanànan'i Galilea izy, ka nampianatra ny olona tamin'ny sabata,

32 ary gaga ny olona tamin'ny fampianarany, satria niteny toy ny manam-pahefana izy. 33 Tao amin'ny sinagoga dia nisy lehilahy azon'ny demony maloto, ka niantso mafy 34 nanao hoe: Aoka re, fa mifandraharaha inona aminao izahay, ry Jesoa avy any Nazareta ô? Tonga handringana anay va hianao? Fantatro raha hianao, dia ilay Masin'Andriamanitra. 35 Fa notenenin'i Jesoa mafy izy nataony hoe: Mangina, ary mialà amin'io lehilahy io. Dia nandavo azy tamin'ny tany teo afovoan'ny olona teo ny demony vao nivoaka niala taminy, nefa tsy nandratra azy akory. 36 Talanjona izy rehetra, ka nifampilaza hoe: Teny manao ahoana re izany? fa mandidy ny fanahy maloto amin-kery sy fahefana izy, dia miala ireny. 37 Ary niely tamin'izany tany rehetra izany ny lazany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0363