Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-5

17 Indray andro raha nampianatra izy, dia nipetraka manodidina azy teo koa ny Farisiana sy ny mpampiana-dalàna sasany avy tamin'ny tanàna rehetra tany Galilea sy Jodea mbamin'i Jerosalema, ary tao aminy hanasitranany ny marary ny herin'ny Tompo.

18 Dia indro nisy olona nitondra lehilahy malemy anankiray tamin'ny fandriany ka nitady hampiditra sy hametraka azy teo anatrehany; 19 fa tsy nahita izay hampidirany azy izy ireo noho ny habetsahan'ny olona, ka niakatra teo ambonin'ny tafon-trano izy, ary nanesorany ny tafo, dia nampidininy teo afovoan'ny olona teo anatrehan'i Jesoa ralehilahy mbamin'ny fandriany. 20 Nony nahita ny finoan'izy ireo Jesoa, dia nanao hoe: Ralehilahy, voavela ny helokao. 21 Tamin'izany ny mpanora-dalàna sy ny Farisiana dia nisaintsaina anakampo nanao hoe: Iza moa ity miteny ratsy toy izao ity? Iza no mahavela heloka afa-tsy Andriamanitra irery? 22 Fa fantatr'i Jesoa ny heviny, ka hoy izy taminy: Nahoana hianareo no mieritreritra ao am-ponareo? 23 Inona no mora holazaina kokoa, ny hoe: Voavela ny helokao, sa ny hoe: Mitsangàna ka mandehana? 24 Ary mba ho fantatrareo fa manam-pahefana hamela heloka ety an-tany ny Zanak'olona, dia izao no lazaiko aminao, hoy izy tamin'ilay malemy: mitsangàna, ento ny fandrianao, ary modia any an-tranonao. 25 Niaraka tamin'izay dia nitsangana teo imason'ny olona izy, ary nitondra ny farafara nandriany, ka lasa nody any an-tranony nankalaza an'Andriamanitra. 26 Nitolagaga avokoa izy rehetra, ka sady nankalaza an'Andriamanitra no raiki-tahotra nanao hoe: Nahita zava-mahagaga isika androany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0747