Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-8

16 Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy, na mametraka azy ao ambany farafara; fa ao ambony fanaovan-jiro no apetrany, mba hahitan'izay miditra ny mazava.

17 Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra sy haharihary. 18 Koa tandremo àry ny fihainonareo, fa izay manana no homena, ary izay tsy manana no halaina aminy hatramin'izay heveriny ho ananany aza.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0299