Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka
Toko faha-8
19 Ary tonga hankao amin'i Jesoa ny reniny sy ny rahalahiny, fa tsy afa-nihaona taminy noho ny habetsahan'ny vahoaka,20 ka nisy nilaza taminy hoe: Ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao te-hihaona aminao. 21 Dia novaliany hoe: Ny reniko sy ny rahalahiko, dia izay mihaino sy mankatò ny tenin'Andriamanitra.