Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Lioka

Toko faha-9

22 sady nampiany hoe: Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak'olona, ka harian'ny loholona sy ny lehiben'ny mpisorona mbamin'ny mpanora-dalàna ary hovonoiny; fa hitsangana amin'ny maty amin'ny andro fahatelo. 23 Ary hoy koa izy tamin'ny olona rehetra: Raha misy ta-hanaraka ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany isan'andro ka hanaraka ahy.

24 Izay ta-hamonjy ny ainy dia hahavery azy, fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko no hahavonjy azy. 25 Ary inona no soa azon'ny olona raha mahazo izao tontolo izao aza izy, nefa very ny tenany ka voaheloka izy?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0742