Boky Voalohan'ny Makabeo

Makabeo I toko 1
Aleksandra ilay malaza - Ny nidiran'ny fanaon'ny Greka tany Palestina - Antiokosa Epifana, fandrobana ny Tempoly, fanenjehana ny Jody tsy nivadika.

       1 Aleksandra, zanakalahin'i Filipo, Masedoniana, avy amin'ny tanin'i Setima, rahefa naharesy an'i Dariosa, mpanjakan'ny Persa sy ny Meda, sy tonga mpanjaka nisolo azy, ary efa nanjaka tamin'i Gresa, aloha, 2 dia niantafika imbetsaka sy nahazo trano mimanda maro ary namono mpanjakan'ny tany. 3 Tongany hatrany amin'ny faran'ny tany, ka firenena maro no nahazoany babo, ary nangina teo anatrehany ny tany. 4 Nisondrotra ny fony ka nibohibohy; namory tafika mahery tokoa izy, 5 ka nampanaiky tany amam-pirenena sy mpanjaka maro izay nanjary mpandoa hetra ho azy, 6 dia nilamaka tao am-pandriana izy, ka nandindona azy ny ho faty, 7 ka nantsoiny hanatona azy ny manam-boninahiny ambony laharana, namany hatramin'ny fahatanorany, dia nozarainy tamin'ireo ny fanjakany, dieny mbola velona izy. 8 Roa ambin'ny folo taona no nanjakan'i Aleksandra, dia niamboho izy. 9 Samy naka ny anjara fanapahany teo amin'ny zarataniny avy ny manam-boninahiny. 10 Samy nisatroka ny satro-panjakana izy ireo, mbamin'ny zanany nandimby azy taorian'ny nahafatesany, nandritra ny taona maro, ary nampitomboiny be ny loza eto an-tany.
       11 Nisy solofom-paharatsiana anankiray nivoaka avy amin'ireo mpanjaka ireo, dia Antiokosa Epifana, zanak'i Antiokosa mpanjaka, izay natao antoka tany Roma, sy tonga mpanjaka tamin'ny fahafito amby telopolo amby zato taonan'ny fanjakan'ny Greka. 12 Tamin'izany andro izany, nisy taranaka mpivadika avy amin'Israely ka nitarika ny hafa betsaka koa, nanao hoe: Andeha isika hikambana amin'ireo firenena manodidina antsika, fa nidiran-doza maro isika, hatrizay nitokanantsika lavitra an'ireo izay. 13 Ary nataony ho mety harahina izany teny izany. 14 Ka ny sasany tamin'ny vahoaka dia rototra nanatona ny mpanjaka, ka nomeny làlana hanaraka ny fanaon'ny firenena. 15 Nanorina toerana fanaovana asa tena mampatanjaka tao Jerosalema, araka ny fanaon'ny firenena, izy ireo. 16 Nofoanan'izy ireo ny marika amin'ny famorana azy, dia nialany amin'izay ny fanekena masina, ary tafakambana tamin'ny firenena sy nivaro-tena hanao ny ota izy.
       17 Nony efa nataon'i Antiokosa, fa tafaorina tsara ny fanapahany, dia izay hanjakany amin'i Ejipta no noheveriny, mba hahatonga azy ho mpanjaka amin'ny fanjakana roa. 18 Ka dia niditra tany Ejipta izy nitondra tafika lehibe, nomban-kalesy aman'elefanta sy mpitaingin-tsoavaly, mbamin'ny sambo maro be. 19 Namely an'i Ptolemea mpanjakan'i Ejipta izy, nefa raiki-tahotra teo anoloany io ka nitsoaka nandositra, ary vahoaka be no niampatrampatra maty. 20 Nalain'ny Siriana ny tanàna mimanda, teo amin'ny tany Ejipta; ary nofaohin'i Antiokosa ny babo eran'i Ejipta. 21 Rahefa avy nandresy an'i Ejipta Antiokosa, tamin'ny taona fahatelo amby efapolo amby zato, dia niverina, ka Israely indray no nalehany hasiana. 22 Nony tafakatra tao Jerosalema nomban-tafika lehibe izy, 23 dia sahy niditra nisolantsolana teo amin'ny fitoerana masina; nalainy tao avokoa, ny otely volamena, ny fanaovan-jiron'ny fanazavana, mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, ny latabatra fandaharana ny mofo, kopy aman-tasy sy vilia tasiaka volamena, ny efitra lamba, ny fehiloha aman-kaingo volamena tamin'ny rindrina anoloan'ny tempoly; nendahany hatraiza hatraiza ny peta-bolamena. 24 Nalainy koa ny volamena sy volafotsy mbamin'ny kapoaka saro-bidy, mbamin'ny rakitra niafina azony nokarohina. Nentiny avokoa izany rehetra izany, dia niditra any amin'ny taniny izy, 25 rahefa avy namono olona betsaka sy namoaka teny diso vala.
       26 Ka fisaonana lehibe no teo amin'ny Israelita, tamin'izay fitoerana rehetra nonenany. 27 Velon-taraina ny lehibe aman-doholona, niraviravy tànana ny zatovovavy aman-jatovolahy, nihasimba ny hatsaran-tarehin'ny vehivavy. 28 Ny vao nampaka-bady, re nidradradradra, ny avy nampakarina, namarin-dranomaso nipetraka ao amin'ny efitra fampakaram-bady. 29 Ny tany nihorohoro toy ny matahotra noho ny amin'ny mponina ao aminy, ary ny tamingan'i Jakoba safo-kenatra avokoa.
       30 Roa taona taorian'izany, nandefa mpamory hetra ho any amin'ny tanànan'i Jodà, ny mpanjaka. Dia tonga tao Jerosalema izay, nitondra miaramila betsaka. 31 Ary nosaroroiny tamin'ny teny malefaka ny mponina, ka nandray azy tsy amin'ahiahy. 32 Kanjo nony inona dia nodainany tampoka ny tanàna ka nasiany tamin'ny loza mafy, ary nahafatesany betsaka ny Israelita. 33 Nobaboiny ny tanàna, nodorany tamin'ny afo, nazerany ny trano, noravany ny manda manodidina. 34 Nentiny ho babo ny zaza amam-behivavy ary nofaohiny koa ny biby fiompy. 35 Rahefa izany, nohodidinin'ny Siriana manda lehibe sy mafy ny tanànan'i Davida, sady nasiany tilikambo mafy dia mafy, 36 nataony trano mimanda, ho azy ireo. Dia taranak'olon-dratsy, tsy nanam-pinoana na lalàna, no napetrany tao; niorina mafy teo izy ireo. 37 Fiadiana amam-pitaovana betsaka no navozeziny tao; nangoniny koa ny babo azony tao Jerosalema ka tao no nametrahany azy; loza nipetraka ho an'ny tanàna izy ireo. 38 Io manda io, dia toy ny fandrika voatsangana hamely ny fitoerana masina, sy toy ny fahavalo mahatahotra ho an'Israely nandritra izany fotoana rehetra izany. 39 Nararak'izy ireo teo amin'ny manodidina ny tempoly ny ra tsy manan-tsiny, ka nolotoiny ny fitoerana masina. 40 Noho ny amin'izy ireo, nandositra niala tao Jerosalema ny mponina, ka tonga fonenan'ny olon-kafa; ka zary fivahiniana ho an'izay teraka tao anatiny, ny tanàna; fa nilaozan'ny zanany. 41 Ny fitoerana masina tonga foana toa tany efitra, ny fetiny niova ho andro fisaonana, ny sabatany ho fahafaham-baraka, ary ny voninahiny ho fandatsana azy. 42 Araka ny voninahiny no nitomboan'ny fietreny, ary ny fahalehibeazany zary fisaonana. 43 Namoaka didy tamin'ny fanjakany manontolo Antiokosa mpanjaka, mba hiraisan'izy rehetra ho vahoaka tokana, fa samy hanary ny lalàny manokana. 44 Nanaraka ny didin'ny mpanjaka avokoa ny firenena. 45 Nanaiky hanaraka ny fombam-pivavahany koa ny Israelita ankamaroany; ka nanao sorona tamin'ny sampy sy nandoto ny sabata. 46 Nisy iraka nampitondrain'ny mpanjaka taratasy ho an'i Jerosalema sy ho an'ny tanàna hafa amin'i Jodà, nandidy azy ireo hanaraka ny fomban'ny olona hafa firenena amin'ny tany, 47 hampitsahatra eo amin'ny tempoly ny sorona dorana sy ny sorona amam-panatitra araraka, 48 hametaveta ny sabata sy ny fety, 49 handoto ny fitoerana masina sy ireo masina, 50 hanangana otely, hazo masina, tempolin-tsampy, hanolotra kisoa amam-biby maloto hafa hatao sorona; 51 hamela ny zanany lahy tsy hoforana, handoto tena amin'ny loto amam-pametavetana isan-karazany, mba hahatonga azy hanadino ny lalàna sy hanova ny didy rehetra. 52 Ka na zovy na zovy tsy hankatò ny didin'ny mpanjaka Antiokosa, dia hohelohin-ko faty. 53 Toy izany no taratasy naeliny eran'ny fanjakany manontolo, sady nanendry olona hitandrina ny vahoaka rehetra izy; 54 nandidy ireo tanànan'i Jodà koa izy, mba samy hanatitra sorona isan-tanàna. 55 Be ny Jody no nikambana tamin'ny Siriana, dia izay rehetra nanary ny lalàna; nanao ny ratsy tamin'ny tany izy ireo; 56 ka hany herin'ny Israelita tsy nivadika, dia nandositra eny amin'ny fitoerana takona sy amin'izao karazam-pierena rehetra izao.
       57 Tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'ny volana Kasleo, taona fahadimy amby efapolo amby zato, dia naoriny teo ambony otelin'ny sorona dorana, ny fahavetavetana lozan-tany. Nanorenany otely koa teo amin'ny tanànan'i Jodà rehetra, eny amin'ny manodidina. 58 Ary nandoro emboka teny am-baravaran'ny trano sy teny amin'ny kianja izy ireo. 59 Raha mahita ny bokin'ny lalàna eny ho eny izy, rovitiny aloha dia dorany. 60 Izay nahitana bokin'ny fanekena, ary izay niseho ho mbola miraikitra amin'ny lalàna, na zovy na zovy, dia novonoina ho faty, noho ny didin'ny mpanjaka. 61 Toy izany no tsy nitondrany roa an'Israely, ka indray andro isam-bolana, dia novonoiny eny amin'ny tanàna ny Israelita izay trany nandika izany. 62 Ny fahadimy amby roapolon'ny volana izy ireo dia nanatitra sorona teo amin'ilay otely naorina teo ambonin'ny otelin'ny sorona dorana. 63 Araka ny lalàna koa, izay vehivavy nampamora ny zanany dia novonoina ho faty, nahantona teo am-bozony ny zanany; 64 norobaina ny tao an-tranony ary natao maty izay nanao ny fandidiana. 65 Maro anefa ny Israelita no nanohitra tamin-kerim-po sy nanao fikasana mafy tsy hihinana na inona na inona amin'izay maloto. Naleony maty toy izay handoto tena amin'ny hanina, 66 sy hametaveta ny fanekena masina; ka dia maty izy ireny. 67 Hatezerana mafy loatra no niantonta tamin'Israely fahizany.