Boky Voalohan'ny Makabeo

Makabeo I toko 10
Notaomin'i Demetriosa I sy Aleksandra Epifana, Jonatasa ka nikambana tamin'i Aleksandra, izay nanome azy fiandrianan'ny mpisorona lehibe sy nanasa azy tamin'ny fampakaram-badin'ny zanany tamin'ny zakavavin'i Ptolemea - Ny nandresen'i Jonatasa an'i Apolloniosa jeneralin'i Demetriosa II.

       1 Tamin'ny taona faha-enimpolo amby zato, niainga hanafika Aleksandra, ilay zanak'i Antiokosa, sy natao hoe Epifana, ka nahazo an'i Ptolemaisa; noraisin'ny mponina izy, dia tonga mpanjaka. 2 Nony ren'i Demetriosa mpanjaka izany, namory tafika lehibe dia lehibe izy, dia nandroso hamely an'io. 3 Niaraka tamin'izany, nandefa taratasy misy tenim-pihavanana Demetriosa ho any amin'i Jonatasa, sady nampanantena hanandratra azy amin'ny voninahitra. 4 Manaova fanekem-pihavanana aminy faingana isika, hoy izy, alohan'ny hanaovany amin'i Alksandra, hanohitra antsika. 5 Fa hotsarovany ny ratsy rehetra nataontsika taminy sy tamin'ny rahalahiny ary tamin'ny fireneny. 6 Nomeny fahefana izy haka miaramila, hanao fiadiana, hilaza azy ho mpihavana aminy, ary nodidiany haverina aminy ny olona voatana ho antoka tao amin'ny trano mimanda. 7 Nankany Jerosalema niaraka tamin'izay Jonatasa, namaky ity taratasy teo anatrehan'ny vahoaka rehetra, sy teo anatrehan'izay tao amin'ny trano mimanda. 8 Raiki-tahotra mafy izy ireo, nandre fa hoe: nomen'ny mpanjaka fahefana hamonona tafika Jonatasa. 9 Natolotr'ireo tao amin'ny trano mimanda an'i Jonatasa ny antoka, dia natolotr'io amin'ny fianakaviay kosa izy ireo. 10 Niorim-ponenana tao Jerosalema Jonatasa dia nanomboka nanamboatra sy nanavao ny tanàna. 11 Nandidy ny mpiasa izy handrafitra ny manda indray, sy hanisy vato efa-joro manodidina ny tendrombohitra Siona hanamafy azy. Notanterahina izany didy izany. 12 Nitsoaka tamin'izay ireo hafa firenena, izay tao amin'ny tanàna mimanda nataon'i Bakidesa, 13 samy nandao ny fonenany avy izy ireo, ka nody any amin'ny taniny avy. 14 Ny sasantsasany foana tamin'ireo nahafoy ny didy aman-dalana no nijanona tao Betsora, izay tonga fialofany.
       15 Aleksandra mpanjaka kosa, tamin'izany, dia nahare ny zavatra natolotr'i Demetriosa an'i Jonatasa; notantarain'ny olona taminy koa ny ady nataony, ny herim-po nafitsok'izy mbamin'ireo rahalahiny ary ny loza niaretany ka hoy izy: 16 Hahita lehilahy toy izany indray va isika? Ka ndeha ataontsika tonga sakaiza sy mpihavana amintsika izy. 17 Dia nanoratra taratasy toy izao izy, nalefany ho any aminy:
       18 Aleksandra mpanjaka, miarahaba an'i Jonatasa rahalahiny. 19 Nahare ny aminao izahay, fa hoe hianao dia lehilahy manam-pahefana sady vonon-kihavana aminay. 20 Noho izany, dia manendry anao izahay anio, ho mpisorona lehibe amin'ny firenena sy manome anao ny anaram-boninahitra hoe sakaizan'ny mpanjaka; - niaraka tamin'izany nampitondra akanjo jaky sy satro-boninahitra volamena ho azy izy; - koa aoka hiray hevitra aminay amin'ny raharahanay sy haharitra amin'ny fihavanana aminay.
       21 Dia niakanjo ny fanamiana masina Jonatasa tamin'ny volana fahafiton'ny taona fahenim-polo amby zato, tamin'ny fetin'ny Tabernakla, ary namonona tafika izy, sady nanao fiadiana betsaka.
       22 Nalahelo mafy Demetriosa nony nandre izany zavatra izany. 23 Hoy izy: Naninona ity isika no Aleksandra indray no nialoha antsika nahazo fihavanana tamin'ny Jody, hanamafisany ny fahefany? 24 Izaho koa mba handefa teny hitaona azy, sy hanolotra voninahitra ambony amam-panomezana ho azy, mba ho tonga mpanampy ahy izy. 25 Dia nandefa taratasy toy izao ho any aminy izy:
Demetriosa mpanjaka miarahaba ny firenena Jody. 26 Notananareo tsara ny fanekena natao taminay, tohizanareo ny fihavanana aminay, ary tsy mikambana amin'ny fahavalonay hianareo; nandre izany izahay ka faly noho izany. 27 Ary amin'izao, dia mahareta miraiki-po aminay fa hovalianay soa izay ataonareo ho anay. 28 Homenay fanafahana sy tombon-tsoa betsaka hianareo. 29 Hatramin'izao ankehitriny izao afahako hianareo, ary ny Jody rehetra dia alako tsy handoa hetra na haban-tsira amam-pehiloha fanome ny mpanjaka; 30 ny am-pahatelon'ny vokatry ny tany, sy ny antsasaky ny vokatry ny hazo mamoa, izay anjarako, dia afoiko ho anareo, izao mason'andro anio izao; ary amin'izao sisa izao, na amin'ny fotoana inona, na amin'ny fotoana inona, dia tsy mampandoa na inona na inona intsony aho, na amin'ny tanin'i Jodà, na amin'ny faritany telo any Samaria sy Galilea izay voakambana aminy. 31 Tiako ho tanàna masina sy afaka Jerosalema mbamin'ny faritaniny, ny fahafolon-kareny sy ny zavatra tsy maintsy aloany. 32 Afoiko koa ny fahefako amin'ny trano mimanda ao Jerosalema, ka omeko ny mpisorona lehibe, hametrahany izay olona hofidiny hiambina azy. 33 Ny Jody rehetra nentin-ko babo avy amin'ny tanin'i Jodà ho any amin'ny fanjakako manontolo, dia alefako ho afaka tsy mandoa avotra; sitrako ny ahafoizan'ny olon-drehetra ho azy ny hetra na dia ny amin'ny biby aza. 34 Ny fety lehibe rehetra, ny sabata, ny voalohan'ny volana, ny andro voatendry, ny hateloana mialoha na manaraka ny fety lehibe, dia ho andro fanafahana amam-pahafahana ho an'ny Jody rehetra eto amin'ny fanjakako. 35 Ka tsy misy mahazo manenjika ny iray amin'izy ireo, na mitory azy amin'ny fitsarana, na inona na inona raharaha. 36 Hisy Jody hatramin'ny telo alina, halatsaka amin'ny tafiky ny mpanjaka, ka homena karama, toraky ny miaramila rehetra karamain'ny mpanjaka. Hapetraka ao amin'ny tanàna mimanda lehibe, an'ny mpanjaka, ny sasany amin'izy ireo; 37 ary maro no horaisina amin'ny raharaham-panjakana ilana olo-mahatoky; fanampin'izany, izy miaramila iray laharana eo ihany no hangalana ny lehibe hifehy azy, sady samy hanao teo-piainana araka ny lalany izy, araka ny efa nandidian'ny mpanjaka amin'ny tanin'i Jodà. 38 Ny faritany telo amin'i Samaria nakambana amin'i Jodea dia hakambana sy hisaina ho iray aminy, ka tsy hanaiky fahefana hafa afa-tsy ny an'ny mpisorona lehibe. 39 Ary Ptolemaisa mbamin'ny faritaniny dia homeko ho an'ny fitoerana masina ao Jerosalema, hiantohana ny lany amin'ny fombam-pivavahana atao ao. 40 Ary izaho koa manome volafotsy dimy arivo sy iray alina sikla, isan-taona, alaina amin'ny volam-panjakana amin'izay tanàna mety. 41 Ny ambiny rehetra tsy naloan'ny mpamory sahala amin'ny taona taloha, dia haloany amin'ny ho avy hanaovana ny fanompoana amin'ny tempoly. 42 Fanampin'izany, ny volafotsy dimy arivo sikla nesorin'ny lehibe isan-taona tamin'izay nilaina ao amin'ny fitoerana masina, ka nalainy tamin'ny vola voatendry ho azy, dia hafoy ho azy, fa an'ny mpisorona manao ny fanompoana ao izany. 43 Na iza na iza nialoka tao amin'ny fitoerana masina ao Jersoalema na tao anatin'ny mandany manodidina, mbola ananan'ny fanjakana hetra na ananan'olona trosa hafa, dia afaka izy miaraka amin'ny fananany rehetra, eto amin'ny fanjakako. 44 Ny lany amin'ny fanaovana na fanamboarana ny fitoerana masina koa, dia halaina amin'izay miditra ho an'ny mpanjaka. 45 Fanampin'izany, ny lany amin'ny fanaovana ny mandan'i Jerosalema sy fanamafisana ny manodidina azy koa, halaina amin'izay miditra ho an'ny mpanjaka; torak'izany koa ny fananganana ny mandan'i Jodea.
       46 Nony nandre ireo teny ireo Jonatasa sy ny vahoaka dia tsy nino izany sady tsy nety nanaiky izany; satria tsarovany ny loza lehibe nafitsok'i Demetriosa tamin'Israely sy ny voina nampihaviany taminy. 47 Ka dia tapakevitra izy ireo fa homba an'Aleksandra, ka ny fanekem-pihavanana avy aminy no tsaratsara kokoa teo imason'izy ireo, ka dia nijanona ho mpikambana aminy mandrakariva izy.
       48 Namory tafika lehibe Aleksandra mpanjaka, ka nandroso hamely an'i Demetriosa. 49 Dia rafitra ny adin'ireto mpanjaka roa lahy, ka vaky nandositra ny takik'i Demetriosa ka nenjehin'i Aleksandra; 50 fa resiny sady niadiany tamin-kerim-po mandra-pahafatin'ny masoandro, ary maty androtr'izay koa Demetriosa.
       51 Nandefa ambasadaoro ho any amin'i Ptolemea mpanjakan'i Ejipta Aleksandra, nohafarany hilaza aminy hoe: 52 Tafiditra eto amin'ny fanjakako aho, ary tafapetraka amin'ny seza fiandrianan'ny razako; nahazo ny fanjakana indray aho tamin'ny nandreseko an'i Demetriosa, ary mahazo mahazaka ny taninay. 53 Nandrafitra ady taminy aho, dia naharesy azy, izy sy ny tafiny; ka tafasandratra eo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakany. 54 Ary ankehitriny aoka hihavana isika; omeo ahy ho vadiko ny zanakavavinao, dia ho vinantonao aho, ary hanome anao sy azy izay fanatitra mendrika anao. 55 Izao no navalin'i Ptolemea mpanjaka: Sambatra ny andro nidiranao ho eo amin'ny tanindrazanao, sy nipetrahanao eo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakany! 56 Ary ny amin'ny zavatra nosoratanao, dia hotanterahiko!
Ary amin'izao dia hataoko ho anao izay nosoratanao, fa tongava hitsena ahy any Ptolemaisa, mba hifankahita tava isika, dia hataoko vinantoko hianao, araka ny faniriana voalazanao. 57 Koa niala tany Ejipta Ptolemea sy Kleopatra zanany vavy, dia nankany Ptolemaisa tamin'ny taona faharoa amby enimpolo amby zato. 58 Tonga nitsena azy Aleksandra mpanjaka, dia nomeny ho vadin'io Kleopatra zanany vavy, ka tao Ptolemaisa no natao malaza sy manetriketrika araka ny fanaon'ny mpanjaka ny fampakarana.
       59 Nanoratra taratasy tany amin'i Jonatasa, koa Aleksandra mpanjaka, niantso azy hihaona aminy. 60 Dia nankany Ptolemaisa tamim-boninahitra lehibe Jonatasa, ka nihaona tamin'ireo mpanjaka roa lahy tao; volafotsy sy volamena ary fanatitra betsaka no natolony azy ireo sy ny tandapany, ka nahazo sitraka tamin'izy ireo. 61 Nikambana hamely azy tamin'izay ny olona ratsy fanahy sasany tamin'Isarely, olona mpankahala fivavahana niampanga azy; fa tsy nohenoin'ny mpanjaka. 62 Vao mainka nasain'ny mpanjaka nesorina aza ny fitafiana teny amin'i Jonatasa, dia nasainy nampiakanjoina jaky izy. Nony tanteraka izany didy izany, dia nasain'ny mpanjaka nipetraka teo anilany izy, 63 ary hoy izy tamin'ireo lehiben'ny tandapany: Mandehana hianareo mivoaka miaraka aminy, ho ao afovoan'ny tanàna, ka lazao am-pahibemaso, fa tsy misy olona mahazo mitsangan-kitaraina hamely azy, na amin'inona na amin'inona, ary tsy misy mahazo manorisory azy akory, na inona na inona fialan-tsiny ataony. 64 Nony nahita azy nomem-boninahitra am-pahibemaso sy nampitafina jaky, ireo mpiampanga azy, dia nitsoaka avokoa izy rehetra. 65 Mbola nampian'ny mpanjaka indray aza izany voninahitra izany, fa nosoratany ho isan'ireo filohany amin'ny sakaizany izy, sady nataony jeneraly sy governoram-paritany. 66 Dia niverina ho any Jerosalema tamim-piadanana amam-piravoravoana Jonatasa.
       67 Tamin'ny taona fahadimy amby enim-polo amby zato, tonga tao amin'ny tanindrazany avy any Kreta, Demetriosa zanak'i Demetriosa. 68 Nankararirary an'i Aleksandra mpanjaka loatra izany vaovao izany, ary niverina ho any Antiokia izy. 69 Apolloniosa governora tao Sele-Siria no nalain'i Demetriosa ho jeneraly, ary namory tafika lehibe ilay io, ka tonga nitoby teo akaikin'i Jamnia. Teo izy naniraka tany amin'i Jonatasa, mpisorona lehibe, hilaza hoe: 70 Hianao dia hianao irery izao no mitangan-kanohitra anay; ka tonga famazivazy sy fandatsan'ny olona aho, noho ny aminao. Ahoana no dia ahasahianao manao ny tenanao ho mahaleo tena eo anatrehanay, ao an-tendrombohitra ao? 71 Koa ankehitriny, raha matoky ny herinao tokoa hianao, midina ho ety aminay aty amin'ny tany lemaka dia hifanao eo isika, fa momba ahy ny tanàna mafy amin'ny morontsiraka. 72 Fotory ary fantaro ny amiko sy ny amin'ireo manampy ahy, iza aho, iza ireo. Fa milaza izy ireo, fa tsy hahajanona eo anoloanay hianao, satria indroa ny razanao no vaky nandositra any amin'ny tanin'izy ireo. 73 Ary izao, dia tsy ho tantinao akory ny hafitsoky ny mpitaingin-tsoavaliko, sy ny tafika maro dia maro, aty amin'ny tany lemaka, izay tsy misy vato na vatolampy, na toerana azo andosirana akory. 74 Nentin-katezerana mafy Jonatasa, raha nandre ny tenin'i Apolloniosa, ka nifidy miaramila iray alina, dia niala tao Jerosalema, ary Simona rahalahiny koa tonga nihaona taminy, hanohana azy. 75 Dia lasa nitoby teo akaikin'i Jope izy ireo, nihidy teo anoloan'izy ireo ny tanàna, fa tao ny miaramilan'i Apolloniosa, ka dia ny manao fahirano an'io no natombony. 76 Tsiravina ny mponina, ka novohany ny vavahady, dia lasan'i Jonatasa Jope. 77 Vao nilazana izany Apolloniosa dia nalahany hiady ny an-tsoavaly telo arivo sy ny miaramila maro; 78 ka nizotra tamin'ny hitsin'i Azota, toy ny ndeha hihataka izy; ary tamin'izay indrindra ihany anefa, dia nandroso ho eo amin'ny tany lemaka, fa nanana mpitaingin-tsoavaly maro, izay nitokiany. Nozohin'i Jonatasa nankany Azota izy, ka rafitra ny adin'ny tafika roa tonta.
       79 Nametraka mpitaingin-tsoavaly arivo teo ivohony amin'ny fitoerana miafina Apolloniosa; 80 nefa nialaza Jonatasa fa misy otrika eo ivohony. Nanodidina ny miaramilany ireo mpitaingin-tsoavaly, ka nandefa zana-tsipika namely ny miaramilany, hatramin'ny maraina ka mandra-paharivan'ny andro. 81 Kanefa nahatoha azy tsara araka ny nandidian'i Jonatasa azy, ny miaramilany, fa nihareraka kosa ny soavalin'ireo mpitaingin-tsoavaly. 82 Dia nampandrosoin'i Simona tamin'izay ny miaramilany, hamely ny antoko miaramila an-tongotra, fa efa lany hery ny mpitaingin-tsoavaly, ka resiny sy vaky nandositra tery ny Siriana. 83 Niparitaka teo amin'ny tany lemaka ny mpitaingin-tsoavaly, ary niditra tao Azota ny mpandositra, dia nitsofoka tao Beta-Dagona, tempolin-tsampin'izy ireo, mba hahita fialofana ao. 84 Nodoran'i Jonatasa Azota mbamin'ireo tanàna manodidina azy, nony avy namaboany; nodorany koa ny tempolin'i Dagona mbamin'izay rehetra nialoka tao. 85 Sahabo ho valo arivo no isan'ny matin-tsabatra sy levon'ny afo tamin'izay. 86 Nony avy teo Jonatasa, dia tonga nitoby teo akaikin'i Askalona, ka tonga nitsena sy nanome voninahitra lehibe azy ny mponina tao. 87 Izay vao niverina ho any Jerosalema Jonatasa mbamin'ny miaramilany, nitondra babo sarobidy.
       88 Nony nandre izany zava-niseho izany Aleksandra mpanjaka, dia nomeny voninahitra vaovao indray Jonatasa. 89 Nampitondrainy jaigrafy volamena izy, tahaka izay fanome ny havan'ny mpanjaka, ary nomeny azy ho fananany Akarona mbamin'ny faritaniny.