Boky Voalohan'ny Makabeo

Makabeo I toko 2
Nanomboka ny ady masina Matatiasa mpisorona.

       1 Tamin'izany andro izany no nisehoan'i Matatiasa, zanak'i Joany, zanak'i Simeona, mpisorona avy amin'ireo zanak'i Joariba, tao Jerosalema, izay nonina tany Modìna. 2 Nanan-janaka dimy lahy izy, dia Joany natao hoe Gadisa, 3 Simona nantsoina hoe Tasì, 4 Jodàsa natao hoe Makabeo, 5 Eleazara natao hoe Abarona, ary Jonatasa natao hoe Apfosa. 6 Nahita ity fanevatevana izay nataon'ny olona any amin'i Jodà sy Jerosalema Matatiasa, ka nanao hoe: 7 Indrisy, nahoana ange ity izaho no teraka hahita ny faharavan'ny fireneko sy ny faharavan'ny tanàna masina, ka no dia hijanom-poana eto; kanefa izy ity, efa mby an-tànan'ny fahavalo, 8 ny fitoerany masina efa anjakan'ny hafa firenena? Ny tempoliny, tonga toy ny fonenan'olona tsy valahara; 9 ny fanaka sarobidy, izay voninahitra ho azy, lasan-ko babo; ny zanany madinika naripaka teny amin'ny arabeny, ny sabatry ny fahavalo mandavo ireo zatovony. 10 Firenena iza moa no tsy nandova ny fanjakany sy tsy nanana ny anjara babony teto aminy? 11 Ny haingony rehetra nesorina taminy; nahazaka tena izy nefa tonga andevo. 12 Ny zavatra masina sy kanto ary be voninahitra rehetra nananantsika, voarava sy voavetan'ny firenena avokoa. 13 Ka nahoana ary ity isika no mba velona foana ihany? 14 Tamin'izay Matatiasa, mbamin'ireo zanany, dia nandrovitra ny fitafiany, niakanjo malailay, ary nanao fisaonana mafy.
       15 Dia tonga tao Modìna handahatra fanaovan-tsorona ireo manamboninahitry ny mpanjaka, nomena raharaha hanery ny olona hivadika. 16 Israelita maro be no nomba azy ireo; ary Matatiasa sy ireo zanany dia nivory ihany koa. 17 Niteny tamin'i Matatiasa ireo irak'i Antiokosa, ka hoy izy taminy: Hianao eto an-tanàna no lohany indrindra, voahaja sy mahamena-maso mihoatra noho ny sisa rehetra ary maro zanaka aman-drahalahy. 18 Koa hianao no aoka hanatona voalohany, hanatanteraka ny didin'ny mpanjaka toraky ny efa nataon'ny firenena rehetra, sy ny lehilahy amin'i Jodà, mbamin'ireo tafajanona any Jerosalema, dia ho anisan'ny sakaizan'ny mpanjaka avokoa hianao sy ny ankohonanao, samy hahazo firavaka volamena amam-bolafotsy sy fanomezana maro hianao mbamin'ireo zanakao. 19 Ary Matatiasa namaly niteny tamim-peo avo nanao hoe: Na dia hanaiky an'i Antiokosa avokoa aza ny firenena rehetra anatin'ny fanjakany, ka samy hahafoy ny fombam-pivavahan'ny razany, sy hanaraka an-tsitra-po ny didiny, 20 izaho sy ireo zanako aman-drahalahiko kosa hanaraka ny faneken'ny razanay. 21 Sanatria anay ny hanary ny lalàn'Andriamanitra amam-pitsipiny! 22 Tsy hanaiky ny didin'ny mpanjaka izahay, ka hiala amin'ny fombam-pivavahana, na ho amin'ny an-kavanana na ho amin'ny an-kavia. 23 Vao tapitra izay teniny izay, dia nisy Jody anankiray nandroso teo imason'ny olona rehetra teo hanao sorona, araka ny didin'ny mpanjaka, teo amin'ny otely natsangana tao Modìna. 24 Nony nahita izany Matatiasa, dia tezitra sady niontana ny fony; navelany hisondrotra araka ny lalàna ny hatezerany, ka niantoraka namono an-dralehilahy teo amin'ny otely izy. 25 Novonoiny niaraka tamin'izay koa ilay manam-boninahitry ny mpanjaka, nanery hanao sorona, sady nazerany ny otely. 26 Toy izany no nirehetan'ny zotom-pony hiaro ny lalàna, toy ny nataon'i Finea izay namono an'i Zambrì, zanak'i Saloma.
       27 Dia nandeha eran'ny tanàna Matatiasa, niantso tamim-peo avo hoe: Izay rehetra manam-pahazotoana hiaro ny lalàna sy mitana ny fanekena, samia mivoaka sy manaraka ahy avokoa. 28 Izay izy mbamin'ireo zanany, dia nandositra nankany an-tendrombohitra; nilaozany izay rehetra nananany tao an-tanàna. 29 Nisy Jody maro be koa, izay nikatsaka ny fahamarinana sy ny lalàna ka nidina tamin'izay ho any an'efitra, 30 mba honina any, dia izy mbamin'ny vady aman-janany, sy ny biby fiompiny koa, satria efa nandifotra azy ireo loatra ny loza nanjo azy. 31 Nilazany ny manam-boninahitry ny mpanjaka mbamin'ireo miaramila tao Jerosalema, amin'ny tanànan'i Davida, fa nisy olona nandika ny didin'ny mpanjaka, lasa nididna any an'efitra, amin'ny toerana fierena miafina. 32 Niaraka tamin'izay, dia lasa maro izy ireo nanenjika azy. Nony trany izy, dia nitoby teo an-trandrifiny, nivonon-kamely azy amin'ny andro sabata. 33 Hoy izy taminy: Aoka izay amin'izao. Mivoaha hianareo, tanteraho ny didin'ny mpanjaka, dia ho velona hianareo. 34 Hoy ny navalin'ny Jody: Tsy hivoaka izahay, ary tsy hankatò ny didin'ny mpanjaka, fa ho fandikana ny andro sabata izany. 35 Niaraka tamin'izay dia nandraikitra ny ady taminy ny Siriana. 36 Tsy namaly azy na nitora-bato azy iray akory, na nanampina ny fiereny izy ireo. 37 Aoka isika ho faty avokoa amin'ny fahatsoram-pontsika, hoy izy ireo! Ny lanitra sy ny tany no vavolombelona mahita anay, fa vonoinareo tsy an-drariny izahay. 38 Dia nasian'ny miaramila tamin'ny andro sabata izy ireo, ka maty avokoa izy mbamin'ny vady aman-janany, sy ny biby fiompiny, sahabo ho arivo no isan'ny olona.
       39 Nalahelo mafy Matatiasa sy ireo sakaizany nandre izany vonoana izany. 40 Ary izy ireo nifampilaza hoe: Raha samy manao toy izany nataon'ny rahalahintsika izany avokoa isika, ka tsy miady amin'ny firenena mba hiaro ny aintsika sy ny satam-pirenentsika dia hofongoran'izy ireo vetivety eto ambonin'ny tany isika. 41 Koa izao no fikasana nataon'izy ireo, tamin'izay andro izay: Na iza na iza tonga hiady amintsika amin'ny andro sabata, dia hasiantsika, fa tsy hety hovonoiny fotsiny, toy ny nataon'ireo rahalahintsika tao am-piereny isika. 42 Tamin'izay, nisy antokon'ny Asideana tonga nomba azy koa, ka ny anisan'ireo dia lehilahy mahery amin'Israely, dia izay rehetra niraiki-po tamin'ny lalàna avokoa. 43 Nanatona azy ireo koa izay rehetra nitady ho afaka amin'ny loza nanjo, ka nampitombo ny heriny. 44 Nony efa nahavonona tafika toy izany izy ireo, dia nasiany tamin'ny hatezerany ireo mpivadika, ary tamin'ny fahavinirany ireo tsy mpivavaka; any amin'ny firenena no nandosiran'izay sisa afaka nitady vonjy. 45 Notetezin-dry Matatiasa mbamin'ireo zanany ny tany, ka noravany ny otely, 46 noforany an-keriny ny zazalahy rehetra hitany tsy voafora teo amin'ny tanin'Israely, 47 ary nenjehiny ireo izay nobontsinin'ny fiavonavonana. Nahomby ny raharaha nokendreny noho ny fitarihany azy. 48 Ny lalàna no antony niadiany dia ny hiaro azy amin'ny herin'ny mpanompo sampy sy ny herin'ny mpanjaka; ary tsy nimalo teo anatrehan'ny mpanota izy ireo.
       49 Nony nipaka ny fara andron'i Matatiasa, dia hoy izy tamin'ireo zanany: Ankehitriny, manjaka ny fiavonavonana, ary mamely ny famaizana, ka andron'ny fandravana sy fahatezerana mirehitra izao. 50 Ka aoka hianareo, anaka, hanampatra ny fahazotoanareo hiaro ny lalàna, ary afoizo ho an'ny faneken'ny razantsika ny ainareo. 51 Tsarovy ny asa nataon'ny razantsika tamin'ny androny, ary hahazo voninahitra sy anarana tsy mety maty hianareo. 52 Moa va tsy niseho ho nahatoky Abrahama, tamin'ny fizahan-toetra, ary moa ve tsy nekena ho fahamarinana ho azy ny finoany? 53 Nitandrina ny didy Josefa tamin'ny andron'ny fahoriany, ka tonga tompon'i Ejipta izy. 54 Nirehi-pahazotoana hiaro ny zon'Andriamanitra Finea razantsika, ka nahazo antoka ny fisoronana masina. 55 Nahatanteraka ny teny nomeny Jesosa, ka tonga mpitsara tamin'Israely. 56 Nitsangan-ko vavolombelona nilaza teo anatrehan'ny fiangonana Kaleba, ka nahazo zaratany anankiray teo amin'ny tany. 57 Ny fitiavam-bavak'i Davida no nahazoany seza fiandrianana ho amin'ny taona mandrakizay. 58 Ny nirehetan'ny fahazotoan'i Elia hiaro ny lalàna no nipaoahana azy any an-danitra. 59 Ny toky nananan'i Ananiasa sy Azariasa ary Mizaela no namonjena azy tamin'ny lelafo. 60 Ny tsy fananany tsiny no namonjena an'i Daniela tamin'ny vavan'ny liona. 61 Diniho amin'izay, eran'ny taona rehetra, fa tsy mba resy izay rehetra nanantena azy. 62 Aza matahotra izay rahombavan'olona mpanota, fa mivarin-ko amin'ny fahalòvana aman-kankana ny voninahiny. 63 Anio izy manandra-tena, ary rahampitso izy tsy ho hita intsony, satria miverin-ko amin'ny vovony izy; ka levona foana ny fisainany. 64 Koa matanjaha sy mahereza fo hianareo, anaka, hiaro ny lalàna, fa izy no hanananareo voninahitra. 65 Indro Simona rahalahinareo, fantatro fa lehilahy tsara torohevitra izy, ka mihainoa azy mandrakariva, fa dia hanjary ray ho anareo izy. 66 Aoka Jodàsa Makabeo, lehilahy mahery sy be herim-po hatramin'ny fahatanorany, no ho lohan'ny tafikareo sy hitarika ny ady amin'ny firenena. 67 Ataovy homba anareo izay rehetra mitandrina ny lalàna, ary mamalia ny ratsy natao tamin'ny firenenareo. 68 Valio ny nataon'ny firenena tamin'Israely, ary tandremo ny didin'ny lalàna. 69 Nony avy nitso-drano azy ireo izy, dia nangonina any amin'ny razany. 70 Tamin'ny taona fahenina amby efapolo amby zato izy no maty, ary tao amin'ny fasan-drazany ao Modìna izy no nalevin'ireo zanany ary nisaona azy tamin'ny fisaonana lehibe Israely.