Boky Voalohan'ny Makabeo
Makabeo I toko 9
Fahafatesan'i Jodasa Makabeo - Jonatasa mandimby azy - Ady maro tamin' i Bakidesa.
1 Nony ren'i Demetriosa fa resy tamin'ny ady Nikanora sy ny tafiny dia nalefany ho any Jodea indray Bakidesa sy Alsima, nitondra ny vazan-tafika havanana. 2 Ny làlana mankany Galgala no nombany dia niorin-toby tao Masalota, izay any amin'ny faritanin'i Arbela izy ireo; azony io tanàna io, ary namonoany maro be ny mponina. 3 Tamin'ny volana voalohany, taona faharoa amby dimampolo amby zato, dia nalahany teo anoloan'i Jerosalema ny miaramilany. 4 Rehefa izany dia nangoron-day izy, dia nankany Berea, nitondra miaramila roa alina sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo. 5 Jodasa kosa niorin-toby tao Eleasa, omba-miaramila voafantina telo arivo. 6 Raiki-tahotra mafy izy ireo, nony nahita ireto fahavalo marobe, ka maro no nitsoaka mangingina niala teo an-toby; valon-jato lahy sisa tafajanona. 7 Hitan'i Jodasa fa nitsoaka ny miaramilany, ary ny ady efa antomotra, torotoron'ny alahelo ny fony, fa ny fotoana hamoriany ny momba azy tsy misy, ka tsaroany reraka ny tanany. 8 Kanefa izao no nolazainy tamin'ireto sisa tafajanona teo aminy: Andeha handroso hamely ny fahavalontsika, raha mbola afaka hiady aminy koa isika. 9 Notohain'izy ireo tsy hanao izany anefa izy, nataony hoe: Tsy leontsika ka ndeha aloha hanavotra aina sy miverina ho any amin'ireo rahalahintsika, vao ho avy indray hiady amin'ny fahavalontsika isika. 10 Fa hoy Jodasa tamin'izy ireo: Sanatria ahy izay hanao izany, ka hiamboho handositra! Raha tonga ny fotoana anjarantsika, aoka ho faty amin-kerim-po isika, ho an'ny rahalahintsika, ary aza asiana pentina ny voninahitsika.
11 Dia nivoaka ny toby ny tafiky ny Siriana, hitsena azy ireo: nizara roa toko ny an-tsoavaly, ny mpandefa an-tsamotady sy mpandefa tsipika teo aloha, ny mahery indrindra no loha-laharana; 12 Bakidesa teo amin'ny vazan-tafika havanana, ary nandroso tamin'ny feon-trompetra teo an-daniny avy, ny antokony. 13 Ry Jodasa koa, tatsy an-daniny, nampaneno trompetra, ka nihorohoro ny tany, azon'ny firohondrohon'ny tafika roa tonta, dia rafitra ny ady, ka naharitra hatramin'ny maraina ka hatramin'ny hariva. 14 Nony hitan'i Jodasa fa teo amin'ny vazan-tafika havanana Bakidesa sy ny miaramilany mahay indrindra, dia novoriny hanodidina azy ny miaramila mahery fo rehetra, 15 ka noreseny ny vazan-tafika havanan'ny Siriana, dia notanahiny hatrany an-tendrombohitra Azota. 16 Kanjo hitan'ireto vazan-tafika havia fa resy ny vazan-tafika havanana, ka nifontenany narahina avy ato aoriana Jodasa sy ny namany. 17 Niha-nangotraka ny ady, ka samy be maty, izy roa tonta. 18 Maty koa Jodasa dia vaky nandositra ireo namany.
19 Dia nentin'i Jonatasa sy Simona, Jodasa rahalahin'izy ireo, ka nalevina tao amin'ny fasan-drazany ao Modìna. 20 Nitomanian'Israely rehetra izy sy nigogogogoany mafy ary naharitra andro maro no nisaonany azy, 21 sy nanaovany hoe: Ahoana re no dia nahafaty an'ilay mahery, an'ila nanafaka an'Israely! 22 Ny tantaran'i Jodasa sisa, sy ny adiny hafa, sy ny herim-po hafa nasehony ary ny antom-boninahiny, dia tsy voasoratra, satria maro loatra.
23 Nony efa maty Jodasa, dia nitrangatranga eran'ny tanin'Israely manontolo ny mpankahala ny fivavahana ary niarin-doha ny mpanao ny tsy marina rehetra. 24 Nisy mosary lehibe tamin'izany andro izany, ka nivadika tamin'izy ireo mbamin'ny tany aza. 25 Ny olona mpankahala ny fivavahana no nofidin'i Bakidesa sy notendreny hitondra ny tany. 26 Nokarohin'ireo ny sakaizan'i Jodasa ka nony mahita izy, entiny any amin'i Bakidesa, dia faizin'io sy ataony fihomehezana kosa. 27 Ary lalina loatra ny fahoriana nanjo an'Israely, fa tsy mbola nisy toy izany hatramin'izay andro tsy nisian'ny mpaminany teo amin'Israely. 28 Ka nivory izay rehetra sakaizan'i Jodasa nilaza tamin'i Jonatasa hoe: 29 Hatrizay nahalasanan'i Jodasa rahalahinao izay, tsy misy lehilahy toa azy intsony, nitsangan-kanohitra ny fahavalontsika Bakidesa, mbamin'ireo rehetra mankahala ny firenentsika. 30 Ka dia hianao no fidinay anio ho lehibenay hisolo azy, sy ho komandinay amin'ny adintsika. 31 Dia noraisin'i Jonatasa ny fanapahana tamin'izany andro izany, ary nitsangana izy nisolo an'i Jodasa rahalahiny.
32 Vao nandre ny nifidianana an'i Jonatasa, Bakidesa dia nitady hamono azy. 33 Nony nandre izany fikasany izany Jonatasa sy Simona rahalahiny, mbamin'izay rehetra nomba azy, dia nandositra tany an'efitr'i Tekoe, sy nitoetra teo akaikin'ny rano amin'ny lava-drano Asfara. 34 Ren'i Bakidesa izany, tamin'ny andro sabata, ka dia niainga izy, mbamin'ny tafiny rehetra, any an-dafin'i Jordany. 35 Nirahin'i Jonatasa Joany rahalahiny noho izy mpifehy ny vahoaka, ho any amin'ny Nabateana sakaizany, hiangavy aminy mba havelany hapetraka any aminy ny entany, izay be tokoa. 36 Kanjo nivoaka avy ao Medaba, ny taranak'i Jambri, ka nisambotra an'i Joany mbamin'ny entany rehetra dia nandeha, nitondra izany babo rehetra izany. 37 Andro vitsivitsy taty aorian'izany, dia nisy tonga nilaza tamin'i Jonatasa sy Simona rahalahiny, fa hoe: manao fampakaram-bady malaza ny taranak'i Jambri, ka avy any Nadabata no avoaka amim-boninahitra lehibe razazavavy, izay zanaky ny andrian-dahy lehibe anankiray, avy any Kanaana. 38 Tsaroan'izy ireo tamin'izay, Joany rahalahiny, ka niakatra izy dia nitampify takon'ny tendrombohitra. 39 Nanopy ny masony izy ireo nitsirika, ka injay reny nisy nigorodondrodona be ihany, dia indreny nisy andian'olona marobe, notesenain'ny mpanambady, izay nandroso, otronin'ireo rahalahiny amam-tsakaizany ary nomban'ny feon'amponga tapaka aman-java-maneno, mbamin'ny forongo be dia be. 40 Nahita izany ireo nomba an'i Jonatasa dia niroatra avy ao am-panotrehany, niantoraka tamin'izy ireo hamono azy: maty tamin'ny famelezany ny maro tamin'ireo, nandositra any an-tendrombohitra ny sisa, ary nobaboin'ny Jody izay teny aminy. 41 Ka niova ho fisaonana ny fampakaram-bady, ary ho fidradradradrana, ny feo fifalian'ny mozikany. 42 Nony avy namaly ny namonoana ny rahalahiny, Jonatasa sy Simona, dia nihataka ho any amin'ny henihenin'i Jordany izy.
43 Nilazana izany Bakidesa ka tonga hatrany amoron'i Jordany tamin'ny andro sabata nitondra tafika lehibe. 44 Dia hoy Jonatasa tamin'ireo namany: Mitsangana ankehitriny, miadia hiaro ny aintsika! Fa tsy tahaka ny omaly sy afak'omaly intsony ity. 45 Indro, fahavalo mitam-piadiana avokoa no eo anoloantsika sy eo ivohontsika, ranon'i Jordany sy ala aman-kehniheny avokoa no eo anindrantsika manodidina, ka tsy misy azo andosirana. 46 Fa ny lanitra no itaraino, hahafahanareo amin'ny tanan'ny fahavalonareo. Dia rafitra ny ady. 47 Naninji-tànana hikapa an'i Bakidesa Jonatasa fa nihilana nianotra io, nisoroka an'izany, 48 ka nivikina nirobika an'i Jordany Jonatasa mbamin'ireo namany, dia nita nilomano, nefa tsy nita hanenjika azy ny Siriana. 49 Nisy arivo lahy no maty ny nomba an'i Bakidesa androtr'izay.
Niverina ho any Jerosalema ilay io, 50 dia nanorina tanàna mimanda any Jodea; ny manda eo akaikin'i Jerikao, Emmaosa, Betorona, Betela, Tamnata, Fara, Tefona, nasiany manda avo, sy vavahady ary hidiny, 51 dia nametrahany miaramila mpiandry, hiady amin'Israely. 52 Nohamafisiny ny tanàna Betsora sy Gazara, ary ny trano mimanda dia nametrahany miaramila sy hanina fitahiry. 53 Nalainy ho antoka ny zanaky ny lohandohany amin'ny tany, dia notanany ho sambo-belona, tao amin'ny trano mimandan'i Jerosalema.
54 Tamin'ny taona fahatelo amby dimampolo amby zato, tamin'ny volana faharoa, nodidian'i Alsima hazera ny rindrin'ny kianja anatiny ao amin'ny fitoerana masina, ka nandrava ny asa nataon'ny mpaminany izy tamin'izany, ary efa nanomboka nanjera sahady. 55 Nokaphin'Andriamantra Alsima tamin'izany andro izany ka tsy afa-niteny intsony izy, na dia indraim-bava aza, tsy afa-nanome didy ny amin'ny raharaha tao an-tranony akory izy. 56 Dia maty tamim-pijalijaliana fatratra Alsima tamin'izany andro izany.
57 Nony nahita ity Alsima maty Bakidesa dia niverina ho any amin'ny mpanjaka, ka nandry fahizay ny tanin'i Jodà, nandritra ny roa taona. 58 Tamin'izay nifampidinika ny Jody nivadika rehetra, nanao hoe: Miadana sy mandry fahizay ity ry Jonatasa sy ny namany, ka ndao hohafarantsika Bakidesa, fa indray alina monja ireo dia azony avokoa. 59 Dia lasa tokoa izy ireo nifanaraka tamin'io. 60 Ka niainga Bakidesa nitondra tafika lehibe, sady nandefa taratasy mangingina izy, ho any amin'ireo rehetra mpiandany aminy any Jodea mba hisamboran'ireo an'i Jonatasa sy ny namany; kanjo tsy nahavoa ireo, fa fantatr'ireto ny heviny. 61 Ary tamin'ireo mponina amin'ny tany izay lohan'ny teti-dratsy dia dimampolo lahy no nosamboriny ka novonoiny. 62 Rahefa izany, niainga Jonatasa sy Simona mbamin'ireo nomba azy, nankany Betbasi, any an'efitra; namboariny izay rava tamin'io, dia nasiany manda. 63 Ren'i Bakidesa izany, ka novoriny ny miaramilany rehetra, nantsoiny koa ny momba azy amin'i Jodea, 64 dia tonga niorin-toby teo akaikin'i Betbasi izy, sy nanao fahirano io tanàna io, naharitra andro betsaka, sady nandrafitra milina. 65 Fa navelan'i Jonatasa tao an-tanàna kosa Simona rahalahiny, ka navoaka tany an-tsaha izy, vao niverina nitondra miaramila vitsivitsy. 66 Nasiany tao an-dainy aloha Odoaresa mbamin'ireo rahalahiny sy ny zanak'i Faserona, ary dia nandroso namely ny mpanao fahirano sy niady taminy tamin'ny miaramila be ihany. 67 Ry Simona sy ny namany koa, tatsy an-daniny, nivoaka sy nandoro ny milina fiadiana. 68 Nifandafaran'izy ireo Bakidesa ka nataony vaky nandositra ny tafiny ary fahoriana lalina no nampitondrainy azy, fa maty afo ny hevitra nokendreny sy ny fanafihany. 69 Loza ny hatezerany tamin'ireo Jody izay mpankahala ny fivavahana nanome hevitra azy ho tonga aty amin'ny taniny, ka namonoany marobe izy ireo; dia nanapa-kevitra hody any amin'ny taniny izy. 70 Fantatr'i Jonatasa izany, ka nandefa iraka izy hanao raharaham-pihavanana aminy, sy hifanaraka ny amin'ny hamerenana ny sambo-belona aminy. 71 Noraisin'i Bakidesa izy ireo, nekeny ny hevitra naposany taminy, nifanekeny tamin'i Jonatasa tamim-pianianana ny tsy hanisy ratsy aminy, raha mbola velona koa izy; 72 naveriny taminy ny sambo-belona azony taloha teo amin'ny tanin'i Jodà, dia lasa nody any amin'ny taniny izy, ka tsy niverina ho eo amin'ny tanin'i Jodà intsony. 73 Koa nivalona ny sabatra teo amin'Israely; ary niorim-ponenana tao Makmasa Jonatasa, dia nanomboka nitsara ny vahoaka sy nanesotra ny mpankahala ny fivavahana teo amin'Israely.