Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-10

1 Nony niala teo izy dia tonga tany amin'ny sisin-tanin'i Jodea, an-dafin'i Jordany; ary nivory teo aminy indray ny vahoaka, ka nampianariny indray araka ny fanaony.

2 Dia nanatona azy ny Farisiana mba haka fanahy azy ka nanontany hoe: Mahazo misao-bady va ny lehilahy? 3 Ary izao no navaliny azy ireo: Ahoana no nandidian'i Moizy anareo? 4 Dia hoy izy: Nomen'i Moizy làlana hanao taratasy fisaoram-bady sy hisao-bady ny lehilahy. 5 Fa hoy kosa Jesoa: Ny hamafin'ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo. 6 Fa tamin'ny niandohan'izao tontolo izao, dia lehilahy iray sy vehivavy iray ihany no nataon'Andriamanitra; 7 noho izany dia handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin'ny vadiny, 8 ary ho nofo iray izy roroa; koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. 9 Koa aoka izay nakamban'Andriamanitra tsy hosarahin'olombelona. 10 Nony mby tao an-trano, dia nanontany azy ny amin'izany indray ny mpianany, 11 ka hoy izy taminy: Na iza na iza misaotra ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa, dia mijangajanga mandika ny lalàm-panambadiana; 12 ary raha ny vavy koa no misaotra ny lahy ka manambady hafa, dia mijangajanga.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0894