Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-10

13 Ary nisy nitondra zazakely maromaro mba hametrahany tànana, nefa notenenin'ny mpianatra mafy ireo nitondra;

14 ka tezitra Jesoa nony nahita izany sady nanao taminy hoe: Avelao hanatona ahy ny zaza, fa aza raranareo, satria ny toa azy no hanana ny fanjakan'Andriamanitra. 15 Lazaiko marina aminareo fa na iza na iza tsy handray ny fanjakan'Andriamanitra tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra any. 16 Dia nofihininy izy ireo, sy nametrahany tànana, ary notsofiny rano.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1048