Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Marka toko 3, 1-6,
Jesoa nanasitrana ilay lehilahy maty tànana sy ny marary hafa koa - Ny nanendren'i Jesoa ny Apostoly - Jesoa mamaly ny mpanora-dalàna - Iza no reniny sy rahalahiny?

       1Indray mandeha koa dia niditra tao amin'ny sinagoga Jesoa, ary nisy lehilahy anankiray maty tànana an'ila tao. 2Ary nizaha taratra azy ny sasany na hanasitrana an'io amin'ny sabata izy na tsia, mba hiampangany azy. 3Dia hoy izy tamin'ilay lehilahy maty tànana: Mitsangàna etsy afovoany. 4Ary hoy koa izy tamin'ny olona: Inona no mety hatao amin'ny sabata, ny soa sa ny ratsy ny mamonjy aina sa ny mamono? Fa tsy niteny tsy nivolana izy ireo. 5Dia nijery azy rehetra tamin-katezerana izy, sy nalahelo noho ny hajamban'ny fony, ary nilaza tamin-dralehilahy hoe: Ahinjiro ny tànanao. Dia nahinjiny, ka sitrana ny tànany.
       6Ary lasa nivoaka ny Farisiana, ka niaraka tamin'izay dia niara-nihevitra tamin'ny Herodiana hanao izay hahavoazana azy. >