Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-3

22 Ny mpanora-dalàna izay nidina avy tany Jerosalema kosa nanao hoe: Efa azon'i Belzeboba izy, ary ny filohan'ny demony no androahany ny demony. 23 Nantsoin'i Jesoa izy ireo ka nanaovany fanoharana hoe: Hataon'i Satana ahoana no fandroaka an'i Satana? 24 Raha misy fanjakana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fanjakana izany; 25 ary raha misy fianakaviana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fianakaviana izany: 26 koa raha mitsangan-kanohitra ny tenany àry i Satana, ka miady an-trano, dia tsy maharitra izy fa rava ny heriny. 27 Tsy misy olona afa-miditra ao an-tranon'ny mahery sy mandroba ny entany, raha tsy afatony aloha ilay mahery, vao robainy ny ao an-tranony. 28 Lazaiko marina aminareo fa hahazo famelan-keloka ihany ny zanak'olombelona amin'ny fahotany rehetra, sy ny fitenenan-dratsy rehetra izay itenenany ratsy an'Andriamanitra; 29 fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina no tsy hahazo famelan-keloka na oviana na oviana, fa manam-pahotana mandrakizay. 30 Satria hoy izy ireo hoe: Manana fanahy maloto izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0965