Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-3

7 Fa niala teo Jesoa sy ny mpianany ka nankany amin'ny ranomasina, ary maro ny olona avy tany Galilea no nanaraka azy. 8 Ary maro koa no tany Jodea sy Jerosalema, sy tany Idomea, sy tany an-dafin'i Jordany, ary tamin'ny tany manodidina an'i Tira sy Sidòna no nankeo aminy nony nandre ny nataony. 9 Ary nilaza tamin'ny mpianany izy mba hanomana sambo kely hiandry azy eo noho ny habetsahan'ny vahoaka, fandrao dia poritin'ny olona izy. 10 Fa nahasitrana olona betsaka izy, ka nifanesika hanendry azy izay rehetra nanana aretina. 11 Ary raha mahita azy koa ny fanahy maloto, dia miankohoka eo anatrehany, ka miantso hoe: 12 Hianao no Zanak'Andriamanitra; fa rarany sy rahonany mafy izy ireo mba tsy hanao izay hahafantarana azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1349