Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-6

30 Nony niverina teo amin'i Jesoa ny Apostoly, dia nilaza taminy ny zavatra rehetra nataony sy nampianariny.

31 Ary hoy izy taminy: Avia hianareo, ndeha mitokana any amin'ny tany mangingina, ka mialà sasatra kely; fa maro ny olona nifamoivoy ka tsy nisy hihinanany akory. 32 Dia niara-niondrana an-tsambo kely izy ireo ka lasa nitokana any amin'ny tany mangingina. 33 Fa hitan'ny olona ny nandehanany ary maro no nahalala ny halehany, ka nidodododo nandeha an-tongotra avy amin'ny tanàna rehetra, sy tonga tany talohany. 34 Ary nony nivoaka avy tao an-tsambo Jesoa dia nahita ireto vahoaka betsaka ka nangoraka azy, satria tahaka ny ondry tsy manam-piandry izy ireo, dia nampianatra azy zavatra maro izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0801