Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Marka toko 6, 53-56,

       <53Nony tafita izy ireo, dia nitody tao Genezareta ka niantsona teo. 54Ary rahefa niala tao an-tsambo kely izy ireo, dia nahalala an'i Jesoa niaraka tamin'izay ny olona, 55ka lasa nitety ny manodidina, ary rafitra nitatitra ny marary tamin'ny fandriana ho any amin'izay reny fa misy azy. 56Na taiza na taiza nalehany, na tamin'ny vohitra, na tany an-tanĂ na, na tany an-tsaha, dia napetraky ny olona teo an-kianja ny marary, sady niangavy taminy mba havelany hanendry na dia ny sahondran'akanjony ihany aza, ka izay rehetra nanendry azy dia sitrana. >