Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-8

22 Dia tonga tany Betsaida izy ireo, ary nisy nitondra lehilahy jamba anankiray teo aminy, sy nangataka taminy mba hanendry azy.

23 Dia noraisin'i Jesoa ny tànan'ilay jamba, ka nentiny nivoaka ny tanàna izy; nasiany rora ny masony, nametrahany tànana izy, ary nanontaniany raha mahita zavatra. 24 Dia niandrandra ilay jamba ka nanao hoe: Ny fahitako ny olona mamindra dia sahalahala amin'ny hazo. 25 Dia nametrahany tànana indray ny masony, ka nasainy nijery izy, izay vao sitrana tsara sy nahita mazava ny zavatra rehetra. 26 Ary nasain'i Jesoa nody any an-tranony izy sy nilazany hoe: Modia any an-tranonao, fa aza miakatra ao an-tanàna na milaza izany amin'ny olona ao an-tanàna.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1028