Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Marka

Toko faha-8

9 Tokony ho efatra arivo anefa no nihinana; dia nampodiny. 34 Dia nantsoiny ny vahoaka mbamin'ny mpianany ka nilazany hoe: Raha misy ta-hanaraka ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliana ka hanaraka ahy. 35 Fa izay te-hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny fitiavany ahy sy ny Evanjely no hamonjy azy. 36 Inona no soa azon'ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? 37 Sa inona no azon'ny olona omena ho takalon'ny fanahiny? 38 Izay ho menatra ahy sy ny teniko amin'ity taranaka mpijangajanga sy mpanota ity, dia ho menatra azy koa ny Zanak'olona rahefa avy amin'ny voninahitry ny Rainy izy otronin'ny anjely masina.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0829