Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Matio toko 10, 2-4
<2Ary ireto no anaran'ny Apostoly roa ambin'ny folo lahy: Ny voalohany dia Simona izay atao hoe Piera, dia Andre rahalahiny, 3Jakoba zanak'i Zebede sy Joany rahalahiny, Filipo sy Bartelemy, Tomà sy Matio ilay poblikàna, Jakoba zanak'i Alfe sy Tade, 4Simona ilay Kananeana, ary Jodasy Iskariota ilay namadika azy. >