Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Matio toko 11, 25-27

       <25Tamin'izany andro izany, dia hoy indray Jesoa: Misaotra anao aho, Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nanafina izany zavatra izany tamin'ny hendry sy be saina hianao, ary nanambara azy tamin'ny tso-po kosa. 26Eny, misaotra aho, Raiko, fa izany no sitra-ponao. 27Efa nomen'ny Raiko ahy ny zavatra rehetra, ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny zanaka sy izay tian'ny Zanaka hanehoana azy. >