Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-11

11 Lazaiko aminareo marina tokoa fa amin'izay natera-behivavy mbola tsy nisy nitsangana izay lehibe noho Joany Batista; kanefa izay kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra no lehibe noho izy. 12 Ary hatramin'ny andron'i Joany Batista no ho mankaty, dia azo an-keriny ny fanjakan'ny lanitra, ka ny mpanao an-keriny no mahazo azy. 13 Fa ny Mpaminany rehetra sy ny Lalàna dia naminany hatramin'i Joany, 14 ary raha mety mino hianareo, dia izy no ilay Elia ho avy. 15 Izay manan-tsofina hihainoana aoka hihaino.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.104