Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-11

16 Amin'inona no hanoharako ity taranaka ity? Amin'ny ankizy madinika mipetraka eny an-kianja, izay miantso ny namany,

17 ka manao hoe: Nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy hianareo; nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nandon-tratra hianareo. 18 Fa tonga Joany, tsy nihinana tsy nisotro, nataon'ny olona hoe: Azon'ny demony izy. 19 Tonga indray ny Zanak'olona, mihinana sy misotro, lazain'ny olona hoe: Lehilahy lian-kanina io, sady mpisotro divay sy sakaizan'ny poblikàna mbamin'ny olon-dratsy fiaina rehetra. Fa efa nohamarinin'ny zanany ny Fahendrena.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1058