Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-12

14 Ary lasa nivoaka ny Farisiana ka niara-nioko ny amin'izay hahafaty azy. 15 Fa nahalala izany Jesoa ka dia niala teo. Maro ny vahoaka nanaraka azy, ka nositraniny izay rehetra narary tamin'ireny; 16 nefa norarany izy ireo tsy hanao izay hahafantarana azy, 17 mba ho tanteraka ny teny nolazain'Izaia mpaminany hoe: 18 Indro ny Mpanompoko izay nofidiko, dia ilay malalako izay ankasitrahan'ny foko indrindra; hapetrako ao aminy ny Fanahiko, ary hanambara ny marina amin'ny jentily izy. 19 Tsy hifanditra izy, na hiantso mafy, ary tsy hisy handre ny feony eny an-dàlana; 20 tsy hanapaka ny volotara vaky izy, na hamono ny lahin-jiro manetona, ambara-pamoakany ny rariny ho mpandresy; 21 ary ny jentily hitoky amin'ny anarany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1273