Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-12

38 Tamin'izay ny sasany tamin'ny mpanora-dalàna sy ny Farisiana namaly azy hoe: Tompo, mba ta-hahita famantarana avy aminao izahay. 39 Fa namaly izy ka nanao hoe: Mangata-pamantarana ity taranaka ratsy sy mpijangajanga ity, fa tsy homena famantarana hafa afa-tsy ny an'i Jonasa mpaminany izy; 40 fa tahaka ny nitoeran'i Jonasa hateloan'andro sy hateloan'alina tany an-kibon'ny hazandrano lehibe no hitoeran'ny Zanak'olona hateloan'andro sy hateloan'alina ao anatin'ny tany koa. 41 Ny olona tany Niniva hitsangana hanohitra ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy, satria nibebaka izy ireo nony nitorian'i Jonasa teny; nefa indro misy lehibe noho Jonasa eto. 42 Ilay mpanjakavavy avy any atsimo hitsangana hanohitra ity taranaka ity amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa niala avy tany amin'ny faravazan-tany izy ka nankatý hihaino ny fahendren'i Salomona, nefa indro misy lehibe noho Salomona eto.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0602