Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio
Toko faha-12
46
Raha mbola niteny tamin'ny vahoaka izy, dia indreo ny reniny sy ny rahalahiny nijanona teo alatrano nitady hiteny aminy,
47
ka nisy olona anankiray nilaza taminy hoe: Indreo ny reninao sy ny rahalahinao ao alatrano, mitady anao.
48
Fa izao no navaliny an'ilay nilaza taminy: Iza moa no reniko, ary zovy no rahalahiko?
49
Dia naninjitra ny tànany nanondro ny mpianany izy ka nanao hoe: Ireo no reniko sy rahalahiko.
50
Fa na zovy na zovy hanao ny sitra-pon'ny Raiko izay any an-danitra, dia rahalahiko sy anabaviko ary reniko.
©
Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 -
2024 - page load 0.0364