Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-13

1 Tamin'izany andro izany, rahefa nivoaka avy tao an-trano Jesoa, dia nipetraka tao amoron-dranomasina.

2 Ary be ny vahoaka nitangorona teo aminy, ka niditra teo an-tsambo kely izy, dia nipetraka teo, ary ny olona rehetra kosa teo amoron-drano. 3 Ary nilaza zavatra maro tamin'ireo tamin'ny fanoharana izy nanao hoe: Indro nivoaka hamafy ny mpamafy; 4 ary nony namafy izy, ny sasany latsaka teny amoron-dàlana, dia tonga ny voro-manidina ka nitsindroka azy; 5 ny sasany latsaka tamin'ny tany be vato sady manify nofo, ka nitsimoka vetivety, satria tsy lalina ny nofon-tany; 6 kanjo nony niposaka ny masoandro, dia nalazo izy ka maina, satria tsy latsa-paka. 7 Ny sasany latsaka tany anaty tsilo, dia nitombo ny tsilo ka dia nahafaty azy; 8 ary ny sasany latsaka tamin'ny tany tsara, dia namoa: ao ny tonga avo zato heny, ao ny enim-polo, ary ao ny telo-polo. 9 Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1364