Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-13

36 Tamin'izay, nony efa nampody ny vahoaka izy, dia mba nody, ary nanatona azy ny mpianany nanao hoe: Lazao anay ny hevitry ny fanoharana ny amin'ny ahi-dratsy.

37 Ary namaly izy ka nilaza taminy hoe: Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak'olona; 38 ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny zanaky ny fanjakana; ny ahi-dratsy dia ny zanak'ilay ratsy; 39 ny fahavalo izay namafy azy, dia ny demony; ny taom-pijinjana, dia ny fahataperan'izao tontolo izao; ary ny mpijinja, dia ny anjely. 40 Tahaka ny anangonana ny ahi-dratsy sy andorana azy amin'ny afo no hatao raha mby amin'ny fahataperan'izao tontolo izao. 41 Haniraka ny anjeliny ny Zanak'olona, ary ireo dia hanangona sy hamoaka ny mpanafintohina sy ny mpanao ratsy rehetra hiala amin'ny fanjakany, 42 ka hanipy azy ao amin'ny memy mirehitra: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. 43 Amin'izany kosa ny olo-marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin'ny fanjakan'ny Rainy. Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0194