Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Matio

Toko faha-13

54 ka nankany amin'ny tany nahabe azy, ary nampianatra tao amin'ny sinagogany; dia gaga ny olona ka nanao hoe: Avy taiza ary no nahazoan'izy io izany fahendrena sy hery izany? 55 Tsy ilay zanaky ny mpandrafitra va io? Tsy Maria va no anaran-dreniny, ary tsy Jakoba, sy Josefa, sy Simona ary Joda va no rahalahiny? 56 ary moa tsy ety amintsika avokoa va ny anabaviny rehetra? Koa taiza no nahazoany izany rehetra izany? 57 Ary tafintohina taminy izy ireo; fa hoy Jesoa taminy: Eo amin'ny tany onenany sy eo amin'ny ankohonany ihany no tsy mba voahaja ny mpaminany. 58 Dia tsy nanao fahagagana betsaka teo izy noho ny tsy finoan'ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0714